Andriamatoa RAZAFIARIVONY Wilson no filoha vaovaon'ny HAVATSA UPEM nandimby an-dRAHAINGOSON Henri na i DI. Mananika ny faha 73 taonany izy ary efa mpitam-bola lefitra tao amin'ny fikambanana. Poety, mpanoratra ary mpamorona tantara tsangana sy fandefa amin'ny onjam-peo no tena ahalalana azy. Marihina fa RAHAINGOSON Henri dia nanatevina ny laharan'ny filoham-boninahitry ny fikambanana miaraka amin'i Jeneraly RAMAKAVELO. Ireo filoha mpanampy kosa dia RAMANGATIANA Iharilanto Patrick sy ANDRIANASOLO Hajaina. Mirary soa ho an'ny birao vaovao ny tontolon'ny haisoratra malagasy hahavita be amin'ny adidy iombonana.
17 desambra 2008
| Amin'izao fotoana maha vitsy ny boky mivoaka amin'ny teny malagasy izao dia ankasitrahana ny ezak'i Andamioly nahavoaka ny bokiny "Soniako". Ahitana tononkalo 20 mahery, mitantara fitiavana sy fiainana kristianina nodiaviny, nosoratana hatramin'ny taona 2000. F.-X. Mahah, filohan'ny Havatsa Upem Frantsa, no niandraikitra ny fandikana ny sasantsasany amin'ny teny frantsay. Voaravaka sary miloko samihafa ny boky, sary miendrika faribolana, bolantany, tain-kintana sns izay niangalian'i Zou Bloom. Mbola hivoaka tsy ho ela koa ny boky "Novadiko ianao", nadika avy tamin'ny sangan'asan'i Walter Trobisch "I Married You". |
MIRAZOTRA
14 jona 2008
Namoaka boky vaovao ny HAVATSA UPEM sampana Frantsa. Ahitana tononkalo 50, nosoratan'ny poeta Malagasy monina any Frantsa kanefa mbola manohy mitandro sy mandalina ny teniny. Ireto avy ireo poeta 17 nanoratra tao : Abel Andriamalala, Aina, Andamioly, Andriandalaoarivony J., Andry Salomon, Antsiva, Bana Rahalahy, Bary Randresy, Dadarabe, Fredy Jaofera, F.-X. Mahah, Hanitr'Ony, Lalaina, Lalatiana, Ndremanjary Razafindratsima, Ny Kanto, Toetra RAJA. Natao andalinana ny teny malagasy ity boky ity ary entina anehoana fa misy ary velona ny poezia malagasy. "Mirazotra" no boky faharoa navoakan'ny fikambanana tao aorian'ny "Santa-bokatra" notontosaina tamin'ny fijoroan'ny fikambanana tamin'ny 30 aprily 2004. Izay manam-pikasa hamaky an'ity amboara ity dia afaka manoratra amin'ny HAVATSA.
Toy ny isan-taona, ny fianakaviana NIRHY-LANTO sy ny HAVATSA UPEM dia manomana fifaninanana asa soratra azon'ny Malagasy rehetra andraisana anjara. Sokajy roa no misokatra amin'ity taona ity :
Ampatsiahivina fa ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra, mpamorona tantara an-tsangana, mpikaroka momba ny teny malagasy, mpanao gazety, mpiandry ary mpitolon'ny MDRM i Nirhy Lanto Rakotonindrina Charles Victor. Tsy zoviana koa ny maha filoha lefitra azy tao amin'ny Havatsa UPEM.
Ny fitsipiky ny fifaninanana dia ho hitanao ao amin'ny haisoratra.org. Jereo koa ny laverité.mg.
07 novambra 2007
Nodimandry omaly 06 novambra 2007 tao amin'ny Tobim-pitsaboan'i HJRA Ampefiloha i Tôty, na i Olivier Andriamampianina. Ampahatsiahivina fa Rainitoty, anarana niantsoan'ireo namany mpiray tanàna taminy teny amin'ny faritry Betongolo, dia mpitendry Gitara mahay sady malaza. Very olomanga tokoa ny firenena ary kamboty indray ny haikanto malagasy.
Efa tamin'ny taona 2005 no heno fa hivoaka tsy ho ela ny raikibolana novolavolain'ny Akademiam-pirenena Malagasy. Voalaza anefa tamin'izany fa ny fanatontana azy no manahirana. Sarotra taminay ny nanangom-baovao mikasika izany tato aoriana. Androany anefa dia hita tao amin'ny gazety "Taratra" fa vita ny dingana voalohany amin'ny famoahana ny raikibolana ary fanatevenana no sisa. Mahatalanjona tokoa ny voalaza momba ny habetsahan'ny manampahaizana nikaon-doha namolavola izany toy ny mpahay siansa sy mpikaroka, mpahay voambolana, sns. Arahabaina ny Akademia nahavita nitoto nahafotsy an'izao dingana manan-tantara izao.
FAMPIRATIANA HAVATSA UPEM
Aseho etsy amin'ny Tahala Rarihasina nanomboka omaly 25 oktobra ny fampiratiana karakarain'ny fikambanana HAVATSA UPEM. Ankoatra ny fivelaran'ny sanganasan'ireo poeta sy mpanoratra Malagasy dia hita ao koa ny fivelaran'ny haisoratra malagasy eo amin'ny tontolo ivelany. Misongadina izany amin'ny alalan'ireo boky nandikana sanganasa vahiny toy ny an'i Corneille nataon'i Dox, ny raikibolana anglisy-malagasy nataon'i Rainandriamampandry sns.
Hifarana amin'ny 31 oktobra izany fampiratiana izany.
HERINANDRON'NY FAHASALAMAN'NY ZAZA SY NY RENY
25 oktobra 2007
Ho avy eto Madagasikara i Laetitia HALLYDAY sy Yvonne CHAKA CHAKA handray anjara amin'ny herinandron'ny fankalazana ny fahasalaman'ny zaza sy ny reny (22 - 30 oktobra 2007). I Laetitia HALLYDAY moa dia tsy zoviana amintsika intsony araka ny anarany. Mandray anjara amin'ny asa sosialy maro izy toy ny fitsidihana tobim-pitsaboana ankizy ary mamatsy vola tobim-pitaizana zaza kamboty.
Ankoatra ny maha mpihira fanta-daza an'i Yvonne CHAKA CHAKA, dia mitana toerana lehibe amin'ny fitsinjovana ny ankizy izy. Mandray anjara amin'ny adin'ny fahabadoana, fitsaboana tazo-moka ao amin'ny faritra atsimo sy atsinanan'i Afrika.
Isaorantsika izy mirahavavy ireo ary mirary soa ho azy ireo amin'izao fitsidihana ny nosintsika izao.