Toetra RAJA

andalan-teny tongatonga ho azy teny no nanonga

____________________________________

Maro ny mpanoratra no miaina ny zavatra soratany. Izany indrindra no mahatonga ireo andalan-tononkalo maro ho tena kanto loatra satria ekena fa ny fihetseham-po no mipololotra ka manolatra. I Toetra RAJA kosa anefa dia manadino ny tenany ao amin’ny tontolo mahapoeta azy. Ny fiposaky ny aingam-panahiny dia mifandraika amin’ilay ambaran’i Dox hoe : “ Ndeha havelako ny tenako, ny izaho isan’andro ”. Trangan-javatra maro samihafa mampihotakotaka eo amin’ny tontolo andavanandro no zary lalan-tsara izorany mampivelatra ny eritreriny. Mindrana ny fahaiza-miangalin’ireo namana mpanao hosodoko izy raha miezaka mikolokolo sy mampirindra ireo teny tsimponiny sy kirakirainy ka atambatambatra ho lasa andinin-teny. Tsy mba anisan’ireo poeta manoratra tononkalo anarivony anefa izy. Raha mihelina ao an-tsainy ny tranga tsongaina iray dia misandrahaka ho ritsoka sy bitsik’iva moa tsy fivelaram-boninkazo. Toa lasalasa ho andalan-teny izy ireny ary voalahatra sahady ara-gadona sy rima. Voaraikitra ao anaty vakiraoka izany ka rehefa tony iny ny saina amam-panahy vao raisina ny penina amadihana ireo “baingan-tsoratra”, irosoana amin’ny fandalinana sy fikolokoloana. Ao anatin'izany dingana izany indrindra no ipoiran'ireo endrika mampientanentana sy hateza eo imolotra. Ahoana indray moa no ankatoavana ny maha iray ny tsianjery sy ny tononkalo raha toa ka ny vokatra azo ho sarotra tadidiana ?

Izany paika voasaina izany no mampirona ny mpanoratra any amin’ny rafi-tononkalo antsoiny hoe “ teny fohy isan’andàlana “, izay  rafitra manara-dalàna : migadona, mirima ary ravahana sarin-teny mahalasa eritreritra. Mampiavaka azy indrindra ity rafitra ity izay endrika sarotra sy tsy fahita firy ary mangataka fotoana lava raha oharina amin’ny rafitra mahazatra.

TONONKALO

Midadasika toy ny rano be mangeniheny ny tontolon’aingam-panahin’ny poeta. Tsy taka-maso na ny loharano nipoirany na ny faravodilanitra iantefany. Manamafy izany ny fivelaran’ny tononkalo ankehitriny eo anivon’ny aterineto (« Tsy mba maty tsy miala any anaty tranonkala »). Misandrahaka tsy azo ferana araka izany ireo lohahevitra azo trandrahana. Voatanisa eto ny toetr’andro, vaovao an-gazety, asan-jiolahy, fiainana mirotoroto.

Soa ihany fa misy fifaliana indraindray manarona ireny hazakazaka rehetra ireny. Ny fampiakaram-bady no entina maneho izany izay tsapa fa mahasafononoka tokoa na ny ampiakarina na ny mpanotrona. Indrisy anefa fa tsy mety ho ampy ny fotoana sy ny fahalalana itrandrahana an’izay misy rehetra. Bitika ny zava-bita manoloana ny fanantenana hany ka toy ny santa-bokatra hatrany izay aroso ho an’ny mpamaky.

_____________________________

* Tantely amam-bahona ny fiainana raha toa ka etsy Anosy, izany hoe etsy amin’ny lapan’ny fitsaran’ny tanànan’Antananarivo, indraindray , no itohizan’ny tantara.


 

SAROTRA

Nanomboka
Namaha
Ny fatotra
Aho zareo,
Niroboka
Ao an-tsahan'
Ny sarotra
Mpiseho ;
Iafiako ,
Anamparana
Ny hery
Rehetra,
Tsy itsitsiako
Hasasarana ,
Na ferin-
Tsetrasetra.

Kapoka
Kibay,
Ozona
Mandratra,
Tampoka ...
Indraindray
Tery vozona
Mihatra ...
Dia ataoko
Miala maina
Hivarina
An-kady,
Tsy ahoako
Fa ny saina
No akarina
Hiady.

 

Na inona
Hihatra,
Ary koa
Hidona,
Tsy maninona
Fa zatra
Ratram-po
Sy honahona,
Ka ny atao
Mitoetra
Ary asesy
Tsy ho lany
Dia izao :
Ny tarigetra?
"MANDRESY"...
IZAY IHANY !

Toetra RAJA

10 oktobra 2004

ANDALAN-TENY

Andalan-teny
To
ngatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

Ka nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

Hierinerina
An-kavoana
Averimberina
Eny foana.

25 jolay 2007

DINITRA POETA

Dinitra
Poeta
No rihitra
Irafetan'
Ny kolo
Manoloana
Ny tolom-
Pandrosoana !

... Hitete
Tsy hiato,
Na hoe
Vy sy vato,
Hampiray
Hanova bika
An'ilay
Tanintsika.

(...)

Areniko
Ny tany
Amin’ny teniko
Tsy ambany !

19 jona 2005