Maro ny mpanoratra no miaina ny zavatra soratany. Izany indrindra no mahatonga ireo andalan-tononkalo maro ho tena kanto loatra satria ekena fa ny fihetseham-po no mipololotra ka manolatra. I Toetra RAJA kosa anefa dia manadino ny tenany ao amin’ny tontolo mahapoeta azy. Ny fiposaky ny aingam-panahiny dia mifandraika amin’ilay ambaran’i Dox hoe : “ Ndeha havelako ny tenako, ny izaho isan’andro ”. Trangan-javatra maro samihafa mampihotakotaka eo amin’ny tontolo andavanandro no zary lalan-tsara izorany mampivelatra ny eritreriny. Mindrana ny fahaiza-miangalin’ireo namana mpanao hosodoko izy raha miezaka mikolokolo sy mampirindra ireo teny tsimponiny sy kirakirainy ka atambatambatra ho lasa andinin-teny. Tsy mba anisan’ireo poeta manoratra tononkalo anarivony anefa izy. Raha mihelina ao an-tsainy ny tranga tsongaina iray dia misandrahaka ho ritsoka sy bitsik’iva moa tsy fivelaram-boninkazo. Toa lasalasa ho andalan-teny izy ireny ary voalahatra sahady ara-gadona sy rima. Voaraikitra ao anaty vakiraoka izany ka rehefa tony iny ny saina amam-panahy vao raisina ny penina amadihana ireo “baingan-tsoratra”, irosoana amin’ny fandalinana sy fikolokoloana. Ao anatin'izany dingana izany indrindra no ipoiran'ireo endrika mampientanentana sy hateza eo imolotra. Ahoana indray moa no ankatoavana ny maha iray ny tsianjery sy ny tononkalo raha toa ka ny vokatra azo ho sarotra tadidiana ?
TONONKALO
Midadasika toy ny rano be mangeniheny ny tontolon’aingam-panahin’ny poeta. Tsy taka-maso na ny loharano nipoirany na ny faravodilanitra iantefany. Manamafy izany ny fivelaran’ny tononkalo ankehitriny eo anivon’ny aterineto (« Tsy mba maty tsy miala any anaty tranonkala »). Misandrahaka tsy azo ferana araka izany ireo lohahevitra azo trandrahana. Voatanisa eto ny toetr’andro, vaovao an-gazety, asan-jiolahy, fiainana mirotoroto.

Soa ihany fa misy fifaliana indraindray manarona ireny hazakazaka rehetra ireny. Ny fampiakaram-bady no entina maneho izany izay tsapa fa mahasafononoka tokoa na ny ampiakarina na ny mpanotrona. Indrisy anefa fa tsy mety ho ampy ny fotoana sy ny fahalalana itrandrahana an’izay misy rehetra. Bitika ny zava-bita manoloana ny fanantenana hany ka toy ny santa-bokatra hatrany izay aroso ho an’ny mpamaky.
_____________________________
* Tantely amam-bahona ny fiainana raha toa ka etsy Anosy, izany hoe etsy amin’ny lapan’ny fitsaran’ny tanànan’Antananarivo, indraindray , no itohizan’ny tantara.
SAROTRA
Nanomboka | Kapoka
| Na inona |
Toetra RAJA 10 oktobra 2004