Toetra RAJA | Dinitra ... Hitete (...) Areniko |
Tazano Banga Ny hany Oadray Na foana Tsy foiko 31 oktobra 2005 | Ny rovan’i Manjakamiadana ao Antananarivo no antsain’ny mpanoratra eto izay ampatsiahivina fa natsangan’i Jean Laborde tamin’ny 1839 nandritry ny fanjakan-dRanavalona reniny. |
Misy toerana Ary akanin- Ny harena Zava-bita Misy kosa Na tanàna Fari-tazana | Miezinezina Dongadonga (...) Na bikaiko Ary itoerako Hafa ihany Nahalatsahan' Ny havoana | Ary izato Tsy mirimo Fa milamina Saingy hita Vatravatra Tanindrazana Toetra RAJA
|
Lasa haolo Ilay tanàna, Tao ny Ntaolo No tamàna, Nierinerina Fiaina : 'Ndeha haverina Hiraina ! Izy ihany No nikolo Mba tsy tany Lava volo No ho lova Mamintsika, Ka tsy hiova Na ho riaka Na atsanga Tsy hisava No hitranga Mba handrava.
Ankehitriny, Hoy ianao, Dia ny tsiny Sisa ao : | Alahelo, Ratram-po Ary avelo Sy ambiroa ! Ny taranaka Tsy heno Dia nihanaka Nameno Renivohitra Tsy hita; Na nirohotra Any am-pita.
Any misy Zanatsika Izay indrisy Mangatsiaka Tsy kitay Vary maina, Indraindray Mikonaina ! Fa vahoaka « Mampanahy ! » ... Na mpitsaoka Ireo vazaha ! | Misy indray Moa nahavita Sy mahay “Tafita”, Saingy antsoina Tsy re feo Mba hanohana An'ireo Famafazana Molaly Ilay ngazana « Tsy omaly ». … Mbola haolo Ilay tanàna Tao ny Ntaolo No tamàna ! Toetra RAJA 23 novambra 2004 |
Tano Amboary | "Ny zanaka Tsy volana Isika | Aza tratra Ka tano Toetra RAJA |