
________________________________
Toetra RAJAONARIVONY, na i Toetra RAJA eo amin'ny sehatry ny haisoratra, dia poeta efa nahitako diam-penina tao amin'ny aterineto sy gazety vitsivitsy. Rehefa tapaka fa haorina ny HAVATSA UPEM eto Frantsa dia nifanatri-tava izahay ary nifankahalala bebe kokoa. Nanana finiavana sy fahavononana izy hifampitantana taminay sivy mianadahy teo amin'ny fananganana ity fikambanan'ny poety sy mpanoratra malagasy ity. Tsapa ny fahavitrihany amin'ny fikatsahana hatrany ny fampiroboroboana ny teny sy fomba malagasy. Saro-pady aminy ny fampitana amin'ireo Malagasy aty am-pita ny lanjan'ny fikolokoloana tenindrazana. Efa ela ihany no nanoratany na ny marimarina moa dia nanomboka tamin'ny taona 1983. Izany indrindra angamba no nananany traikefa teo amin'ny famolahana fomba fanoratra tononkalo toy ny nahazatra an'i Eliza Freda : "teny fohy isan'andàlana". Fifaliana sy voninahitra ho ahy ny manolotra anao an'ity tranonkalan'i Toetra RAJA ity. Heveriko fa hahaliana anao sy ankafizinao ny hitsidika matetika ato. Fredy JAOFERA
Filoha Lefitry ny HAVATSA UPEM
Sampana Frantsa