
________________________________
IREO POETA IREO
Tiana hirentirenty ny toerana lehibe ananan'ny poeta eo amin'ny fikolokoloana ny teny malagasy. Efa mahazatra ny sofina rahateo moa ny fitiavan'izy ireo mikirakira teny ho fanomezana endrika kanto ny asa soratra. Tsy niaina tao anatin'ny vanim-potoana iray ireto poeta atolotra etoana ireto. Misy ny mielim-patrana manerana ny nosy sy any an-dafin'ny ranomasina. Ao tokoa ireo vao herotrerony na vao misondrotra kanefa dia efa tsy mena-mitaha sahady amin'ireo zokiny. Hifangaro ato amin'ny takelaka tsy hisy fanavahana izy ireo satria mpianakavy mitovy fitiavana sy iray tanjona dia ny fitiavana tanindrazana sy tenindrazana.
Ity takelaka ity ary dia mety hanampy ireo mpakafy ny kolo malagasy indrindra fa eo amin'ny sehatry ny tononkalo. Maro ireo poeta malagasy, taloha sy ankehitriny, no mivelatra eo anivon'ny fiaraha-monina. Nohon'ny tsy fahampian'ny fitaovana eo ampelatanana anefa dia ireo fantatra eo anivon'ny aterineto ihany no ho voarakitra ato. Misy amin'ireny tranonkala ireny no mbola lavitry ny fanaperana; ny fahadisoan-tsipelina manginy fotsiny. Atolotra ihany anefa satria heverina fa hisy ireo mpamaky hahavatra manolotra tolo-kevi-panitsiana. Ialana tsiny ialana fondro raha misy tranonkala tsy voatonona kanefa manana ny maha izy azy. Mety hisy koa ny fahadisoana sy ny fahabangana. Bitika sy tsy mbola matoy ny zava-bita ka hezahana ny hampivoatra azy miandalana. Asa vadi-drano izy ity ka tsy ho vita raha tsy ifanonkonana. Eo am-piandohana dia hiompana amin'ny tranonkala mpanangona tononkalo malagasy ny takelaka. Rehefa izany dia hiroso amin'ny fitanisana ireo takelaka manokan'ny poeta tsirairay isika.
TAKELAKA IRAISANA
Tranonkala roa no singanina manokana etoana dia ireo mpamokatra tononkalo malagasy be indrindra : haisoratra.org sy vetso serasera. Tsy ho diso anjara koa anefa ireo tranonkala manokana pejy vitsivitsy ho fampandrosoana ny tononkalo malagasy.
Tranonkalan'ny Association Groupe Verokely ahitana pejy manokana momba ny tononkalo.
Fampahalalam-baovao kanefa dia ahitana ihany koa pejy manokana momba ny tononkalo.
Mamoaka miandalana tononkalo vaovao sy vaovaon'ny tononkalo. Mazàna no mamoaka fanadihadiana sy vaovao isankarazany momba ny haisoratra. Misy fanitsiana tsipelina mety mahasoa.
Tranonkala manokan'ny HAVATSA UPEM sampana FRANTSA. Manangona ny tononkalon'ireo mpikambana. Misy fanadihadiana ihany koa.
Ampahatsiahivina fa tamin'ny 6 septambra 1952 no natsangan'ireo mpanoratra sy poeta malagasy 15 ny UPEM (anarana amin'ny teny frantsay tany amboalohany izay notovonana Havatsa - teny malagasy - taty aoriana). Tsy iza izany fa i Elie Charles Abraham, Daud Ratsarazaka, Nivo-Hary, Flavien Ranaivo, Jean Verdi Salomon Razakandraina (Dox), Ener Lalandy, Pénombre Andriampenomanana, Jean Louis Razafindratre, Odeam Rakoto, Pierre Janvier Abraham, Michel Guste Rakotonirina, Raymond Abraham, Raharison Faustin, Michel Paul Abraham.
Tamin'ny 30 aprily 2005 indray no notokanana tamin'ny fomba ofisialy tao Parisy ny sampana Frantsa amin'ny Havatsa Upem. Ireto kosa ny anaran'izy 10 mianadahy nanangana azy : Razafimahatratra François Xavier (F.-X. Mahah), Rakotomalala Eric (Fredy Jaofera), Hanitra Salomon Andriamasinony (Hanitr'Ony), Razakandrainibe Fabien Gaston (Ny Kanto), Andrianaivomanjato Miora Lala na Andamioly, Rabe Andriamanarivo Paoly (DadaRabe), Randrianaivosoa Aina (Aina), Rajaonarivony Toetra (Toetra Raja), Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine (Lalatiana), Andrianantoanina Salomon (Andry Salomon). Efa namoaka boky roa ity sampana Frantsa ity : Santa-bokatra sy Mirazotra.
Tranonkalan'i Mialy Tiana miompana bebe kokoa amin'ny hainteny : Flavien Ranaivo, Rabearivelo, B. Domenichini Ramiaramanana sns
POETA.WEBS
Mampifandray ny poeta sy ny mpakafy ny poezia malagasy. Manangona tononkalo notsongaina. Manasa vahiny amin'ny alalan'ny tapatapak'ahitra. Loharanom-baovao momba ny tononkalo malagasy.
Blaogy kanefa tsy mena-mitaha amin'ny tranonkala hafa. Manompana ezaka amin'ny fandalinana ny teny malagasy. Ahitana tononkalo maromaro miendrika angano sy hainteny.
Blaogy manandratra hainteny maro taloha sy ankehitriny. Amin'ny maha blaogy azy dia mahaliana ny fandraisan'anjaran'ireo mpisera izay miharo fanadihadiana.
Tranonkala maneho ny kolontsaina, fizahan-tany ary mozika Malagasy. Manokana pejy ho an'ny tononkalo maromaro.
Mamoaka tsy tapaka tononkalo vaovao, indrindra ny an'ireo vao misondrotra. Ahafahan'ny mpanoratra milazalaza ny momba azy. Ahitana dinidinika sy ady hevitra momba ny tononkalo.
Rakibolana midadasika be mirakitra ny zava-misy rehetra eto an-tany. Tsy diso anjara amin'izany ny mombamomba ny mpanakanto malagasy izay tsy manilika ireo poeta sy mpanoratra.
TAKELAKA MANOKANA
Nalahatra araka ny abidian'ny teny malagasy ireto takelaky ny poeta malagasy ireto. Mifangaro araka izany ireo poeta zokiny sy zandriny, andrarezina sy vao misondratra. Hezahana ho fohy ny filazana ny mombamomban'ny tsirairay, eny fa na dia misy aza ireo mendrika famelabelarana lava araka ny halalin'ny traikefa.
AINA
na Aina RANDRIANAIVOSOA dia mpikambana sady niara-nanorona ny Havatsa Upem Frantsa. Tsy mpamorona tononkalo ihany anefa fa anisan'ny namoron-kira ho an'i Bessa sy Lola (Tojo anao) ary nandika ny horonan-tsarimihetsika "Mahaleo" amin'ny teny frantsay. Namoaka boky "Farango sosona". Mankafy mikirakira teny ao anatin'ny andalan-teny mazàna miendrika hainteny.
ANDAMIOLY
na Miora Lala ANDRIANAIVOMANJATO dia poeta mpikambana sady niara-nanorona ny Havatsa Upem Frantsa. Mpianatra Téolojia ary nanangana ihany koa ny ONG "Village ANDAMIOLY" izay niova ho ONG Doreany taty aoriana. Ny bokiny "Soniako", nivoaka tamin'ny martsa 2008, dia mametraka ny tononkalo ho kofehim-pifandraisan'ny finoana sy ny fitiavana. Mitantana ny mpamaky amin'ny fankamamiana ny lohahevitra ireo sary voakaly mandravaka ny boky eny antsefantsefam-pejy.
ANDRY SALOMON
Poeta mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem sampana Frantsa.
AVANA RAMANANTOANINA [1891 – 1940 ]
Anisan'ireo niandohan'ny tononkalo malagasy amin'ny endriny vaovao tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha-XX niaraka tamin'ny samuel Ratany, J.J. Rabearivelo, Raseta Jasmin. Mpanoratra sy poeta. Voarohirohy tamin'ny raharahan'ny V.V.S. ary natao sesintany tany amin'ny nosy Mayotte tamin'ny 1916. Tsy afaka ao an-tsain'ny maro ny "Alahelo iaraha-manana" in- Ny akon'Iarivo, n° 123, 1925. Ahitana santionan'ny tononkalony koa ao amin'ny vetso serasera.
BANA RAHALAHY
Ankoatra ny maha poeta azy dia mpamoron-kira sy mpitendry zava-maneno i Bana Rahalahy na i Jean Marline. Misy fampianarana valiha ao amin'ny tranonkalany. Mampiavaka azy koa ny fahaizany miantsa tononkalo iarahany amin'ireo namany ao amin'ny Havatsa Upem.
Mpianatry J. Narivony ary lasa Mpampianatra teny malagasy taty aoriana. Nanomboka nanoratra tononkalo teo amin'ny faha 16 taonany ary tantara tamin'ny 1947. Nivelatra teo amin'ny lohahevi-pitolomana taloha kelin'ny fahaleovan-tena ary niompana tanteraka tamin'ny fanoratana nanomboka ny taona 1973. Mpikambana tao amin'ny Akademia sy Havatsa Upem. Misy asa sorany vitsivitsy koa tafiditra ao amin'ny fandaharam-pianarana.
DADARABE
na RABE Andriamanarivo Paoly dia dokotera sady mpampianatra dokotera manana fahaizana manokana momba ny aretin-tsaina sady anthropology ankoatra ny maha poeta azy. Izy no nampiasa ny fiantsoana ny poeta mivelatra eto amin'ny aterineto hoe "Poeta Nety" na "e-poète". Namoaka ny boky "Dia nisy ny mazava". Ahitana ny diam-peniny ao amin'ny haisoratra.org izay manazava ihany koa ny mombamomba azy toy izay hita ao amin'ny vetso serasera. Amin'ny maha "poeta nety" azy dia mavitrika tokoa izy mandray anjara amin'ny blaogy.
DOX [1913 - 1978]
na Jean Verdi Salomon Razakandraina dia mpanakanto feno satria ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra, mpamoron-kira, mpamorona tantara an-tsangana, mpanao sary hosodoko koa izy. Nandika ny sangan’asan’i Corneille sy Racine koa. Mpikambana tao amin'ny Akademiam-pirenena izy ary anisan'ireo namorona ny Havatsa Upem. Ao amin'ny haisoratra.org dia ahitana lahatsoratry Tribune de Madagascar (13/01/2003) manadihady ny tantaran'i Dox toy ny hita ao amin'ny wikipedia.org. Ny taona 2006 dia natokan'ny Teraky Dox sy ny tontolon'ny literatiora malagasy ho taona Dox tamin'ny alalalan'ny hetsika tany Frantsa sy teto Madagasikara, izay amafisina ao amin'ity blaogy ity.
EJA (NY)
na Solonomenjanahary Eugénie dia poeta sady mpamoron-kira araka ny hita ao amin'ny Madazik'art. Voalaza ao amin'ny wikipedia.org rahateo moa fa taranak'olona mpamoron-kira sy poeta rahateo izy. Boky navoakany : "Ilay atody mahagaga", "Ilay fitia". Namorona kilalaon-tsaina "Kalaza". Betsaka ny takelaka ahitana ny sanganasany toy ilay fitia (mpanolotra : Ener Lalandy), ilay fitiavana (ahitana ny abidian'ny poeta), Ny Eja, poétesse de l'amour. Na dia tsy matihanina amin'ny maha poeta azy aza izy toy ny ankamaroan'ny poeta dia tsy manilika ny mety hametrahana ny fanoratana ho asa fivelomana araka ny valandresaka nifanaovany tamin'i Rivo Moira ao amin'ny madanight.
Elie RAJAONARISON
Poeta sy mpanoratra, mpampianatra ary tia tanindrazana manandratra avo ny haisoratra malagasy any amin'ny tany maro efa notsidihany. Anisan'ny nanangana ny fikambanana "Faribolana Sandratra" tamin'ny taom-polo 80. Ahitana ireo santionany amin'ny tononkalony ao amin'ny haisoratra.org. Jereo koa ny fanazavana fohy momba ny bokiny "Ranitra". Namoaka boky maro koa toa ny "Voyage en Terre Malgache - Le Cœur de l'Imerina" ho fanentanana ny olona hankafy ny harem-bakoka manodidina an'Iarivo.
FARA MANANJANDRY
Poeta malagasy ahitana diam-penina ao amin'ny vetso serasera sy haisoratra.org. Noho izy mpianatry Dokotera Charles Ravoajanahary angamba no nahatonga azy niroana tamin'ny fitiavana ny asa soratra, izay marihana fa zanak'anabavin'i Dox rahateo.
FREDY JAOFERA
na i Eric Rakotomalala dia poeta sy mpampianatra teny anglisy. Izy no filoha lefitry ny Havatsa Upem Frantsa ary efa mpitan-tsoratra voalohany tao amin'ny Havatsa Upem foibe. Niseho tamin'ny gazety maro ny asa sorany : Madagascar Matin (1984) Atrika (1984), Midi Madagasikara (1985 sy 1994), Televizionina Malagasy - fandaharana Salanitra notontosain'i Louis Bernard Rakotomanga (1993) -, Ny Mpamangy (1995) sns. Namoaka boky maro tamin'ny taona 2007 : Teny roa, Nosy mamiko, Ny ranomasiko, Fiainana. Ahitana ny tantarany ao amin'ny tranonkalany, haisoratra.org ary Wikipedia.org.
G.R.G.
na Georgette Ranivoarivelo Gabrielle dia poeta sady mpanoratra tantara sy sombin-tantara ary mpikabary. Vao avy namoaka boky roa izy izay mifanindry indrindra amin'ny taona iraisam-pirenena momba ny Teny. Hoy indrindra izy mantsy ao amin'ny gazety Le Quotidien" (08/07/2008) : "Ny Teny gasy dia loharano tsy mety ritra ahafahana manangana zavatra goavana". Nodimandry tamin'ny taona 2008.
HANITR'ONY
na Salomon Andriamasinony Josiane dia tsy iza fa zafikelin'i Dox. Vao 9 taona monja izy dia efa nanomboka namindra tamin'ny asa soratra. Mamolaka ny rafi-tononkalo soneta toa an'i raibeny izy ary efa namoaka boky (Bitsik'Ony). Mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra sy Havatsa Upem ary niara-nanorina ny sampana Havatsa Upem Frantsa.
Jacques RABEMANANJARA [1913 - 2005]
Poeta, mpanoratra, mpanao gazety, mpitolona ary mpanao politika tsy zoviana amintsika. Nanandratra avo ny literatiora malagasy eo anivon'ny "francophonie" ary nifanerasera tamin-dry Léopold Senghor. Namoaka bokin-tononkalo maro indrindra tamin'ny teny frantsay : "Sur les marches du soir (1940), Rites millénaires (1955), Antsa (1956), Lamba (1956), Antidote (1961), Les ordalies, sonnets d'outre-temps (1972), Oeuvres complètes, poésie (1978), Thrènes d'avant l'aurore: Madagascar (1985), Rien qu'encens et filigrane (1987).
J.J. RABEARIVELO [1901 – 1937]
Teo amin’ny faha 14 taonany izy no namindra tamin’ny asa soratra. Niaina tanteraka tamin’ny fiandohan’ny fanjanahan-tany izy ka izany indrindra no naha sangany azy teo amin’ny famolahana ny kolon-tsaina Malagasy sy frantsay izay namafisin'i Muriel Raharinarivonirina. Miverimberina eo amin’ny asa sorany ny fahafatesana, angamba nohon’ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fiainana ankapobeny. Vao 13 taona izy dia efa nampiana-tena rehefa avy nesorina tao amin'ny sekoly Saint-Michel. Izany trangan-javatra izany koa no namporisika azy niasa na dia vao herotrerony tokoa aza (15 taona) : mpandika teny, mpitan-tsoratra, nampianatra teny frantsay ary mpiasa tao amin'ny Imprimerie de l'Imerina hatramin'ny nahafatesany. Namorona ny gazety "Ny fampandrosoam-baovao" koa izy izay niarahany tamin'i Charles Rajoelisolo sy Ny Avana Ramanantoanina. Ny fivelaran'ity gazety ity dia nifanandrify indrindra tamin'ny vanim-potoan'ny "Mitady ny very". Mirakitra ny tantarany ny tranonkala vetso serasera, wikipedia.org, lrdb.fr, site.voila.fr. Tsongaina manokana ihany koa ny lahatsoratry Claire Riffard izay ahitana fanadihadiana lalina sy ny vakiraokan-dRabearivelo.
JEAN NARIVONY [1898 - 1980]
na Rajaonarivony dia anisan’ireo poeta malagasy lehibe indrindra ary namorona ny « Amboara voafantina » niaraka tamin’ny Roldlish dadatoany. Ny blaogy valamaty.blogspot.com dia milaza amin’ny teny fohy ny tantaran’i Jean Narivony ary ahitana ady hevitra momba ny tononkalony “Rajakom-bazaha”. Vetso serasera koa dia maneho ny tantarany sy santionan'ny diam-peniny. Marihana fa mpanabe sy mpampianatra ihany koa i Jean Narivony.
LAL-AINA
Poeta mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM Sampana Frantsa.
LALASOA
Ahitana tononkalo maromaro ny tranonkalany ary voalahatra ao anaty lohahevitra vitsivitsy (fitiavana, fianakaviana, fiainana ankapobeny)
LALATIANA RAJAONARIVELO
Poeta mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM sampana Frantsa.
na i François-Xavier RAZAFIMAHATRATRA dia sady poeta no mpanao sary hosodoko. Izy no filohan'ny Havatsa Upem Frantsa.
Boky navoakany : Esquisses Marines (1972), Contrexil (1978), Sang d'Ombre (2004)
MALALASON
na Jean Olivier Rakotomalalason dia poeta vao misondrotra ary mamoaka tsy tapaka diam-penina ao amin'ny vetso serasera. Manana tranonkala manokana ary mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra ary mpamoron-kira ihany koa.
MALODOHASAHA
na Narivelo RAJAONARIMANANA dia fantatra indrindra amin'ny maha mpampianatra azy ao amin'ny Anjerimanontolon'i INALCO (Parisy) miompana amin'ny Fiteny sy Riba Tatsinanana izay tsy maha vahiny ny Malagasy. Izy no anisan'ireo nanorona ny tranonkala haisoratra.org. Mahavariana tokoa ny fahaizany mikirakira teny toy izay hita ao amin'ny "tononkalo".
NDIMBILAZA
na Hasiniony araka ny hita ao amin'ny vetso serasera dia poeta vao nisondrotra ary nanomboka namindra tamin'ny 2002. Tia mampiasa sarin-teny izay anisan'ny mampiavaka ny tononkalo amin'ny asa kanto hafa. Io angaha ilay antsoina hoe "mikirakira teny" (maso tiana).
NGALY
na Ridza RANDRIANAIVO dia poeta nanomboka namindra tamin'ny 1993. Miaina tanteraka ao anatin'ny haisoratra satria mpampianatra teny malagasy ihany koa. Efa namoaka boky 8 hatramin'ny taona 2000, ary tsy vahiny intsony eo amin'ny radio sy fahitalavitra malagasy.
NIRHY LANTO [1923 - 2004]
Ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra, mpamorona tantara an-tsangana, mpikaroka momba ny teny malagasy, mpanao gazety, mpiandry ary mpitolon'ny MDRM i Nirhy Lanto Rakotonindrina Charles Victor. Mpikamban'ny Havatsa UPEM ary efa filoha lefitra.
NY KANTO
Poeta malagasy mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM Sampana Frantsa. Anisan'ireo 10 mianadahy nanangana an'io sampana io.
Ahitana tononkalo maro tsy an'i Pissoa ihany. Amin'ny maha blaogy azy dia misy dinika isan-karazany momba ny fiainana sy ny haisoratra. Anisan'ny poeta vao misondrotra kanefa nivoatra malaky. Ny tononkalony "aloka" dia efa voavaky mihoatran'ny in-500 ao amin'ny vetso serasera ary mbola tafajanona ao amin'ny laharana voalohany hatramin'izao. Mankafy fikirakirana blaogy koa i Pissoa.
RADO [1923]
na Georges Andriamanantena dia mpanakanto feno tokoa satria poeta, mpanoratra, mpanao gazety, mpikabary, mpitoriteny, mpitendry piano, mpamoron-kira. Tafiditra ao amin'ny fihirana fanampin'ny FJKM ny sangan'asany : "Aza avela hahalala", "Mba tantanonao ry Raiko". Ny naha mpianatry Pasitera Ravelojaona azy angamba no nahatonga azy ho tia tanindrazana sy nanainga azy hanoratra an'ilay tononkalo tsy afaka imolotry ny maro hoe "Ry fahafahana" (1961) na koa "Ry tanindrazako" izay notanisain'Ikalamako. Mpikamban'ny HAVATSA UPEM ary voaray tao amin'ny Akademiam-pirenena koa izy. Nanadihady tsara ny tantarany i F.-M. Mahah ao amin'ny haisoratra.org. Ny boky navoakany : Dinitra, Sedra, Zo.
RAJEMISA RAOLISON (R.)
Mpanoratra, mpampianatra mpikaroka, mpikambana ao amin'ny Akademia. Anisan'ireo nanangana ny Havatsa Upem. Namoaka bokim-pampianarana maro ary fantatra indrindra amin'ny Rakibolana sy ny diksioneran'ny tantara, toerana ary olo-malazan'i Madagasikara. Tsidiho ny tononkalony Manjakamiadana.
RATANY Samuel [1901 - 1926]
izay naman'i J.J. Rabearivelo akaiky ary nitovitovy tantara taminy : samy mpianatry Paul Minault, nandao ny dabilion-tsekoly sy niasa vao herotrerony ary folaka andatony. Samy andrarezin'ny tononkalo malagasy koa izy roalahy. Ny naha mpianatry Paul Minault azy angamba no nahatonga azy nivelatra tamin'ny asa soratra, fa tao tokoa mantsy no nampianatra ry Pasitera Ravelojaona sy Rabary, Randzavola ary efa norantovin'ireo poeta sangany toa an'i Dox sy Rado. Nifanerasera tamin'Ny Avana Ramanantoanina izy roalahy araka ny voasoratry F.-M. Mahah. Izy no raiben'ny vanim-potoan'ny "Mitady ny very", eny fa na dia taoriana kelin'ny nahafaty azy aza no niatombohany. Niaina tanteraka tao anatin'ny fampandrian-tany mantsy S. Ratany hany ka sarotiny tokoa izy amin'ny fikajiana ny tontolon'ny poezia malagasy. Nanaovany fandinihana lalina tokoa izany indrindra ny mikasika ny endriky ny tononkalon'ny ntaolo malagasy : hainteny, antsa, rary sns.
Ro ANDRIAMANEVA
na Raymond Roland Ratsimihah Andriamaneva dia Poeta, mpampianatra, mpikabary ary mpanao gazety.
Efa sekretera jeneralin'ny HAVATSA UPEM sy mpitahiry volan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety.
Mpiandraikitra fandaharana ao amin'ny Radio Feon'Imerina izy ankehitriny :
• Diam-penina sy Ritsoka
• Tsiokam-piainana (dinidinika sy torohevitra ho an'ny fianakaviana sy ny tanora manana olana)
SOHITIKA
na Volatiana RAHAGA dia nanomboka nanoratra tononkalo tamin'ny taona 1991. Ao amin'ny vetso serasera no ahitana ny sangan'asany.
THINA ANDRIAFALY
na RAFALIMANANA Jeannie Berthina dia Poeta sy mpanoratra Malagasy sady mpampianatra teny anglisy ihany koa. Nanomboka namindra tamin'ny 1974 izy ary nahazo lokam-pifaninanana maro hatramin'ny 1998 : fandikana ny tononkalon'i Leopold Senghor - Ampela Manga ... Mpikambana ao amin'ny OMDA (1985), Havatsa Upem (2001), FIMPAMAMA (2003).
Poetan'ny teny fohy isan'andalana. Anisan'ireo 10 mianadahy nanangana ny Havatsa Upem Frantsa. Nanao valan-dresaka matetika tao amin'ny Radio Feon'ny Merina.
Tselatra RAJAONAH (1863-1931)
TSIKY DIA AMPY
na i Heriniaina Eugène no vy nahitana ny tranonkala vetso serasera izay fanta-daza tokoa fa misy toerana lehibe ho an'ny tononkalo. Poeta koa anefa izy ary namorona tononkalo maro dia maro. Ankoatra izany dia tia mamorona blaogy izy.