I KALATIAKO
I Kalakely Tsy mba foiko Nefa injao Lavitra ahy Atsy ho atsy |
LOKILOKY
Andro hariva Sarin-teny | Sarin-teny Lokiloky H'aho ianao, Tena toky Tsotra izao; Misamonta Koa ny foko Ka miatonta Ny toloko, Ny endri-tava Dia midika Fa mazava Ny amintsika. | “Rahampitso Raha toa Tsy hahadiso Fa hahasoa : Moa mety Raha mihaona Vetivety, Sa ahoana ? " Ny varavarana Efa akaiky, Ka iarahana Manaiky Fa ilaina Koa ny alina Hampisaina Zava-dalina. Toetra RAJA 10 novambra 2004 |
R.A. : Hazavao ny anton'ny nisafidiananao ny teny hoe an-kodimirana ?
T.R. : Ny "an-kodimirana" dia manambara fiholahan-dàlana, izany hoe rehefa mandao azy ny olona dia tsy ho tazana intsony. Nampiasaina mialoha io teny io ny "hadiva ho diavolana". Samy entina maneho fiovan-tsehatra tazana izy ireo na ny marimarina kokoa angaha dia fitrangan'ny seho manaraka ho avy. Amin’ny sarimihetsika sy tantara andampihazo dia hita maso izany. Ny tena marina dia miditra amin’ny dingana manaraka ireto olon-droa miroso amin’ny fitiavana ireto amin’ny fotoana anateran-dratovolahy an-drazazavavy any amin’ny fonenany.
RAKI-TSARY
| Ny nahitako Azy farany, Nanakoako Ny anarany Tao an-tsofiko Ela tao ... Zary nofiko Izy izao ! Efapolo Iray bikana Indro avy Nigagana Volo kanto Voamboatra Sy milanto Tsara loatra ! Izato bika Sy tarehy Mampihiaka Mafy hoe : | "Iza moa Anio anefa No nandoto Ireo volo Misafoto Mampihataka Borosy He misasaka Ny fotsy ! Aho fa aoka ! Miroraka Ny saoka Mikentrona Tarehy Botrefona Fandeha ! | Ary izaho Dia misaotra 06 janoary 2005 |
OROKA
Atolotro Ny molotro Ho tantely Miely Hankao Anatinao; Hitety Izay mety Mafampàna Ahitàna Lalan-drà Mba hizaha Ka hanoro An’izay mangoro Vitsika Ary hibitsika Ireo rindra | ![]() Atolotro Ny molotro Hifoka Sy higoka Ny ramy Sy ny mamy Avy ao Anatinao; Hisangisangy Hamangy Ao an-doha Ao am-po Ao anatiko | Ny molotra Atolotra No santatra Mamantatra Ny saha : Fa fanahy No antsoina Mba hanohina... Satria Ny fitia Dia ny FO Iray tsy roa. Toetra RAJA |
______________________________________________
LANJAM-PITIA
Iry lasa iry
Olona iray
Milanja fitia
Tsisy mpandray !
Sady mibaby
Fola-damosina
Be mpanaraby
Hila hitrosona !
Kaody fijoro
Osa dia osa,
Fo torotoro
Maty voafosa !
Ela ny ela,
Nilefitra ihany,
Sisa tavela
... Raraka an-tany !
Lalana mody
Atao anton-dia,
Aza manody
Ny lanjam-pitia !
Toetra RAJA
15 jolay 2007
DOBO MANGA ROA
Tany an-toerana Dobo manga Na fihinin' Dia tsikaritra Voaloko Sady vita Ao an-tsaha Miramiram- Satry hatrany (...) Dia ny masonao Dia ny masonao Mahatamana Any an-tany Tena tsotra Hivavahana Dia ny lobo- Toetra RAJA
Nombako
Niserana
No nahitako
Roa miery
Naharanga
Ny fijery.
Ny zozoro
Hodidininy
Tsy atoro
Ihany
Nahafinaritra
Aok'izany :
Kanto ery
Mampifoko
Foko tia
Nanahary
Tsy fahita
Amin'ny sary
Meva ery
Tena maha
Te ho tia !
Pahadiovana
Andosiram-
Pahalovana.
Ho bikaina
Ny hatsarany
Mampisaina !
Baliaka
Tsilalao
Manjopiaka
Topazana
Satry atao
Fiantsampazana
Ny fijery
Misy mana
Soa miery
Lavitr'olona
"Ny androany
Tsy fitolona"
Fitadiavana ;
Mipololotra
Ny fitiavana.
Tokoa
Iatahan-
Java-do :
Lobom-po
Misetra dobo
Manga roa !
18 janoary 2008