Ny tononkalo malagasy moa dia migadona araka ny tsindrim-peo. Amin’ny ankapobeny dia ahitana tsindrim-peo iray na roa ny andalan'ny mpanoratra. Ireto roa etsy ambany, "Teny fohy" sy "Andalan-teny", dia tsy mirakitra afa tsy andininy 3 sy 4. Araka ny mahafohy ny an-dalana sy ny isan'andininy no azo hiheverana azy ireo ho hateza eo imolotra. Inona tokoa moa no hahatsianjery ny tononkalo raha ny famakiana azy aza hanaviavia ? Tokony hisosa ny fiantsàna azy ireny dien'ny voalohany amakiana azy. Ary ny zavatra mateza eo imolotra dia tsy ho very tadidy.
Ny tononkalon'i Toetra RAJA voasoratra ankehitriny dia misalotra ny endrika « teny fohy isan’andalana » avokoa. Tsy fahita firy ny fomba fikirakirana teny toy izany ka heverina ho mety hampitombo lanja ny tontolon'ny haisoratra malagasy. Singanina manokana etoana ireo tononkalon-dry Eliza Freda sy Rô Andriamaneva, isan'ireo nisantatra an'izao endrika izao teto amin'ny Nosy.
TENY FOHY Teny fohy Raha mifoka Tsy miato 12 aogositra 2005 | AN-DALAN-TENY Andalan-teny Ka nanjary Nokoloina Hierinerina 25 jolay 2006 |
Rian-drano mihaminkamina eny an-tsefatsefa-bato |
Any amboalohany dia tongatonga ho azy ny aingam-panahiny. Nokoloina nony avy eo. Ery amin’ny farany anefa dia voalaza fa averimberina. Misy dingana vitsivitsy arahana amin'ny famoronana tononkalo.
Amin'ny voalohany dia tonga ao an-tsaina ny hevitra. Ny hevitra dia mivadibadika ka tonga matotra. Ny fahamatorany no manainga ny penina hisosa miandalana manamasaka ilay eritreritra amin'ny fanolokoloana. Mifanjohy eny àry ny hevitra voakolokolo sy ny endrika voarindra ho zary mampientanentana. Mihakanto hatrany ireo andinin-teny ka satry averimberina tononona. Ary mahagaga fa arakaraka ny hanononanao azy no vao mainka ivelarany ho tonga voninkazo marina.