Toetra RAJA

andalan-teny tongatonga ho azy teny no nanonga

____________________________________

FOMBA FANORATRA

Ny tononkalon'i Toetra RAJA voasoratra ankehitriny dia misalotra ny endrika « teny fohy isan’andalana » avokoa. Tsy fahita firy ny fomba fikirakirana teny toy izany ka heverina ho mety hampitombo lanja ny tontolon'ny haisoratra malagasy. Singanina manokana etoana ireo tononkalon-dry Eliza Freda sy Rô Andriamaneva, isan'ireo nisantatra an'izao endrika izao teto amin'ny Nosy.

Ny tononkalo malagasy moa dia migadona araka ny tsindrim-peo. Amin’ny ankapobeny dia ahitana tsindrim-peo iray na roa ny andalan'ny mpanoratra. Ireto roa etsy ambany, "Teny fohy" sy "Andalan-teny", dia tsy mirakitra afa tsy andininy 3 sy 4. Araka ny mahafohy ny an-dalana sy ny isan'andininy no azo hiheverana azy ireo ho hateza eo imolotra. Inona tokoa moa no hahatsianjery ny tononkalo raha ny famakiana azy aza hanaviavia ? Tokony hisosa ny fiantsàna azy ireny dien'ny voalohany amakiana azy. Ary ny zavatra mateza eo imolotra dia tsy ho very tadidy.

TENY FOHY

Teny fohy
Hary elatra
Hitohy
Hielatrelatra
Hariva
Ao anaty :
Bitsik'iva
Tsy mba maty.

Raha mifoka
Rivotr'alina
Aho sodoka
Nofy lalina
Ary injao
Fa mifoha
Ho anao
Ny ritso-po.

Tsy miato
Manavao,
Rari-vato
No atao,
Efa vonona
Izy izao
Ka tononona
Ho anao.

12 aogositra 2005 

AN-DALAN-TENY

Andalan-teny
Tongatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

Ka nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

Hierinerina
Ankavoana
Averimberina
Eny foana.

25 jolay 2006

 

Rian-drano mihaminkamina eny an-tsefatsefa-bato

Any amboalohany dia tongatonga ho azy ny aingam-panahiny. Nokoloina nony avy eo. Ery amin’ny farany anefa dia voalaza fa averimberina. Misy dingana vitsivitsy arahana amin'ny famoronana tononkalo. 

Amin'ny voalohany dia tonga ao an-tsaina ny hevitra. Ny hevitra dia mivadibadika ka tonga matotra. Ny fahamatorany no manainga ny penina hisosa miandalana manamasaka ilay eritreritra amin'ny fanolokoloana. Mifanjohy eny àry ny hevitra voakolokolo sy ny endrika voarindra ho zary mampientanentana. Mihakanto hatrany ireo andinin-teny ka satry averimberina tononona. Ary mahagaga fa arakaraka ny hanononanao azy no vao mainka ivelarany ho tonga voninkazo marina. 

ANDALAN-TENY

Andalan-teny
To
ngatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

Ka nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

Hierinerina
An-kavoana
Averimberina
Eny foana.

25 jolay 2007

DINITRA POETA

Dinitra
Poeta
No rihitra
Irafetan'
Ny kolo
Manoloana
Ny tolom-
Pandrosoana !

... Hitete
Tsy hiato,
Na hoe
Vy sy vato,
Hampiray
Hanova bika
An'ilay
Tanintsika.

(...)

Areniko
Ny tany
Amin’ny teniko
Tsy ambany !

19 jona 2005