
________________________________
MAMAFAZA VOA Mamafaza Mahereza Hahazo Mamafaza Raha vao Toetra RAJA
Voa
Ka aza
Mamoy fo
Raha tojo
Sarotra
Sy rojo
Hamatotra.
Saina
Meteza
Sombinaina
Mitrakà
Faingàna
Hizaha
Izay hombana.
Voka-tsoa
Hazo
Fihinam-boa
Fanatitra
Amin'ny fo
Rakitra
Avo loha.
Voa
Hilaza
Teny soa
Handrombona
Tsy hadino
Hampiombona
Ny mpino.
Maraina
Hany atao
An-tsaina
Mazava
Be tokoa :
"MAMAFAZA
VOA !"
28 martsa 2008
HAFATRA NOELY
(Koto) Andro iray
Mirentirenty
Izany ahay
Ka mba fety !
Lafatra !
Kanefa kosa
Misy hafatra
Miavosa.
(Bozy) Ny noely
Aho tsy kaody
Fa miely
Ny lamaody,
Fialam-boly
Mahasoa,
Ny sekoly
Miato aloha.
I dada moa
Tsy miasa ...
Dia iny koa
'Zahay no lasa !
(Koto) "Dia iny koa
'Nareo no lasa" ?
Aoka aloha :
Mila sasa
Fa tsy izany
Velively !
(Bozy) Hafa ihany
Ny noely
Fa mandray
Kilalao ...
(Koto) Aoka izay
Fa izao :
Ny famonjena
Tsy voalaza
No kendrena
Mba halaza.
(Bozy) Ahoana izany
Hoy ny tara ?
(Koto) Tsotra ihany
Ny tantara :
Tsy nanidina
I Kristy
Nony nidina
Hiara-dia.
Torontoronina
Ihany
Toy ny mponina
Eto an-tany.
Hanafaka
Amy fahotana :
Ny solafaka
Mazàna !
(Bozy) Hay va re
Hafa kely
Ity atao hoe
Noely ?
(Bozy) Misaotra anao
Ry Kristy
Mazava izao
'Ty fety ity !
Toetra RAJA
05 desambra 2007
REHEFA VITA NY NOELY
Rehefa vita
Ny Noely
Moa tafita
Ny modely ?
Teraka ao
Anaty indray :
Ainga vao
Mampiray !
Rehefa vita
Ny Noely
Dia hita
Fa tsy kely
Ny finoana -
Zotom-po,
Handrantoana
Lovasoa !
Vita izao
Ny Noely :
Anjaranao
Ny mampiely
Fa akaiky
I Kristy
Io manaiky
Miara-dia !
Na vita aza
Ny Noely ...
Tsy voalaza
- Indro kely :
Ny Tomponao
No masoandro
Vaovao
Isan'andro !
Toetra RAJA
06 Desambra 2006