
________________________________
VOAMBOLANA Ato no ahitanao ireo teny sarotra - fahiny sy vaovao na tsy dia fahita firy - ampiasain'i Toetra RAJA. Misy koa ireo teny fampiasa hafa ankehitriny notsimponina teto anivon'ny aterineto. Hisy ny andrana famoaboasana sy fanazavana. Misy amin'ireo teny ireo koa no mbola tsy nisy nandika tamin'ny raikibolana ka atolotra ampanetren-tena. Atao toy ny voamason-tsokina izy ity ka izay kely ananana no arentirenty. Na izany aza anefa dia ilaina ny hevitra avy aminao satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra ary ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona. ____________________ TENY VAOVAO Tambajotra. Mampisalasala raha tena réseau (fr.) no dikany satria tetitsipika no andikan'ny http://www.freelang.com azy. Ny ahalalana ny "teti-" dia ilay teny hoe mitety. Fampiofohana. Fototeny ofo (miofo). Fiovan-doko no heviny ary nandikana ny teny frantsay hoe « transformation ». Taha : pourcentage soatoavina : coutume firaika. (fr. pente). Fampiasantsika matetika angamba ny hoe mifandraika izany hoe toy ny mirona any amin'ny ... na mitongilana. Inoana fa avy amin'io hevitra "mitongilana" io no nihavian'ny teny. sariitatra : (fr. carricature). Ara-bakiteny dia sary miitatra kanefa ny sary dia mahafaoka zavatra maro. Ao ny sary vita amin'ny pentsilihazo, ny sary (photo), ny saritany sns Oliravina : (fr. miss). Indraindray dia iantsoana ny fifaninana ny hoe "miss Oliravina". marorantsana : (fr. multinationale). Ny tovona frantsay multi- ihany angamba no voadikan'ny marorantsana. Ny "nationale" sisa no tsy fantatra. ___________________________________ TENY ANDRANA Fifampififandraisana. Raha adika hoe fifandraisana ny teny frantsay hoe "relationnel" dia ho azo atao angamba ny mampiasa ny fifampififandraisana ilazana ny interrelationnel rehefa notovanana fifamp-. Io fifamp- io dia tovona mahazatra ampiasaina amin'ny asa mifampivoho (fr. réciproque). Ohatra fifampifandeferana, fifampifehezana sns. faritazana. Fandikana ny paysage (fr.) hita tao amin'ny tranonkala serasera io. Voalaza tao fa avy amin'ny kamban-teny faritra + tazana izany. Mitovitovy firafitra amin'ny faritany. Ny paysagiste (fr.) indray dia nadika ho mpamaritazana. Mitovitovy endrika amin'ny mpamaritrano indray io, izany hoe mpanao maritrano (marika + trano). ___________________________________ TENY TRANAINY Baria. Iantsoana ihany koa ny omby Fasitara. Nalaina tao amin'ny tononkalon'i Antsiva (Voatifitra dia izay...) nivoaka tao amin'ny tranonkala haisoratra.org. Lainga sy habobo entina hamitahana na handokafana (Rakibolana an-dRajemisa). Foka. Teny nampiasaina tao amin'ny tononkalo "Fako kely". Tsy hita ao amin'ny raikibolana fampiasa andavanandro io teny io kanefa dia hita ao amin’ny Baiboly (Matio 5 : 22). “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe : Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo” Ny teny angilisy hoe fuck, izay teny ratsy tokoa, no nihaviany.