Toetra RAJA

andalan-teny tongatonga ho azy teny no nanonga

________________________________

 

FOSAFOSA

Tsarovy
Ry be
Fosafosa

Mitovy
Amin'ise (1)
Ny kanosa

Aleo
Hifanatrehana
Kosa

Ny feo
Reharehan'
Ny osa.

Fingana
Ivoho (2)
Mampisosa

Mandringana
Lasan-ko
Trosa !

Raha toa
Tsy lany
Miavosa

Ny fo
Iantefany
Mihaosa.

Tsilaolao (3)
Heverina
Hisosa

No atao
Ka hiverina
Kosa !

 (1) Tsy ny lehilahy ihany no antsoina amin'ny "ise" fa araka ny fanazavan-dRajemisa Raolison ao amin'ny Rakibolana dia ifanaovan'ny samy vehivavy na ny lehilahy sy vehivavy mifankazatra ihany koa.

(2) "Fingana ivoho" no nentina andikana ny teny frantsay hoe "tacle derrière" ahazoana karatra mena amin'ny lalao baolina kitra.

(3) Toy izao ny famaritana ny "tsilaolao" araky Rajemisa Raolison ihany : "kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly". Ny ohatra nomeny dia ny fitiavan'ny Ntaolo manao tsilaolaon-teny toy ny hoe "Nitady tombony ka natombiny".

Toetra RAJA
25 janoary 2009

 

OLON'INY

Olona iny
Andrarezina
Fahiny
Niezinezina

Ary niebona
Aok'izany
Tsy nanembona
Ny ambany

Loza iny
Raha hitroatra
Tsy mba tiany
Ny misaotra

Nahatofoka
Ny maro
Nefa vovoka
Fantaro

Mbola hidoboka
Amy tany
Satria vovoka
Ihany !


Toetra RAJA
30 aprily 2008

MIONONA

Na vitako
Ny ilaiko
Dia hitako
Mijaiko
Eny sahady
Ry zareo
Ny ady
Mbola hiseho !

“Gisitra
Ny mionona”
Ny lisitra
Tononona
Miavosa
Be tsy hay
Mahaosa
Indraindray !

Mitranga
Ny taraina
Fa banga
Ao an-tsaina
Ny fiononana
Hahatonga
Fifandonana
Manonga !

Toetra RAJA - 25 jolay 2008

MISY FEFY

Misy fefy
Tsy mazava
Fa mandrava

Izay tomefy
Ao anaty
Tsy mba maty

Tsy tadidy
Nefa kosa
Miavosa

Fa mihidy
Manafay
Indraindray. 

Ny fitiavana
No simba
Voazimba

Misy havana
Akaiky
Moa miaiky,

Tadidio
Indro ambara
Heno tsara

NY HAMBO IO
No tena fefy
Tsy mba lefy !

Toetra RAJA
25 aprily 2008

 

FAKO KELY

Nantsaina tao amin'ny Radio Feon'ny Merina tamin'ny volana janoary 2008. Nosoratana tao aorian’ny fandaminana adim-piangonana. Tao amin’ity fiangonana iray ity tokoa dia tsy nitsahatra niady ny olona, izany hoe mandritry ny fivorian’ny birao sy Komity, eny fa na dia amin’ny fivoriam-ben’ny mpandray aza. Namory ny olona ny Mpitandrina ka nazavainy fa misy fako kely voatahiry ao an-tratran’ny tsirairay ka mila alefa any amin’ny fanariam-pako fa tsy azo tehirizina.Voalaza ary fa io fako kely io dia handratra ny tena, handratra ny hafa ary mety ho lasa fako be miharihary an-dalambe.

Fako kely
Ao an-tratra
No miely
Ka mandratra !

Foko kely
Moa mijafa ;
Ary hamely
Koa ny hafa !

Foka* ireny
Tena loto,
Miova tenin-
Jiolahim-boto !

Faka iray
No mihanaka
Hanafay
Ny taranaka !

Hanjary
Fako be
Miharihary
Andalam-be !

Toetra RAJA - 15 jolay 2007

*Ity teny hoe "foka" ity dia tsy mba hita ao anatin’ny raikibolana fampiasa andavanandro. Ao amin’ny Baiboly no nahitana azy ary avy amin’ny teny anglisy hoe fuck Fantatsika moa fa ny misionera Anglisy no nandika voalohany ny Baiboly tamin’ny teny Malagasy. Izao no voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio toko 5 and. 22 : “ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo”. Teny fanompana faran’izay ratsy ity foka ity, izany hoe tena loto tokoa.

AVONAVONA

ANDALAN-TENY

Andalan-teny
To
ngatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

Ka nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

Hierinerina
An-kavoana
Averimberina
Eny foana.

25 jolay 2007

DINITRA POETA

Dinitra
Poeta
No rihitra
Irafetan'
Ny kolo
Manoloana
Ny tolom-
Pandrosoana !

... Hitete
Tsy hiato,
Na hoe
Vy sy vato,
Hampiray
Hanova bika
An'ilay
Tanintsika.

(...)

Areniko
Ny tany
Amin’ny teniko
Tsy ambany !

19 jona 2005