Toetra RAJA

andalan-teny tongatonga ho azy teny no nanonga

____________________________________

      Tononkalo 

Dinitra poeta

      Alin'ny poeta

Nakotrokotroka tokoa ny alin'ny poeta tao Parisy, nokarakarain'ny Havatsa Upem sampana Frantsa ary niarahany tamin'ny tarika Hanta sy Fenoamby tamin'ny 30 aprily 2009. Tononkalo tao amin'ny bokin'ny fikambanana "Mirazotra" no niarahana niantsa tamin'izany.  

"andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko" DI

 Tononkalo notsongaina

      Vaovao farany

Hivoaka tsy ho ela ny revio "Tatamo manokana"  novolavolain'ny Havatsa Upem ka ahitana pejy 300 mahery. Handray anjara ao koa ireo sampana rehetra. Anisan'izany ny avy any Frantsa.  

Nahazo filoha vaovao ny HAVATSA UPEM

Andriamatoa RAZAFIARIVONY Wilson no filoha vaovaon'ny HAVATSA UPEM nandimby an-dRAHAINGOSON Henri na i DI. Mananika ny faha 73 taonany izy ary efa mpitam-bola lefitra tao amin'ny fikambanana. Poety, mpanoratra ary mpamorona tantara tsangana sy fandefa amin'ny onjam-peo no tena ahalalana azy. [...]

Soniako : boky navoakan'i Andamioly

Amin'izao fotoana maha vitsy ny boky mivoaka amin'ny teny malagasy izao dia ankasitrahana ny ezak'i Andamioly nahavoaka ny bokiny "Soniako". Ahitana tononkalo 20 mahery, mitantara fitiavana sy fiainana kristianina nodiaviny, nosoratana hatramin'ny taona 2000. F.-X. Mahah, filohan'ny Havatsa Upem Frantsa, no niandraikitra ny fandikana ny sasantsasany amin'ny teny frantsay. [...]

Ireo poeta ireo

Tiana hirentirenty ny toerana lehibe ananan'ny poeta eo amin'ny fikolokoloana ny teny malagasy. Efa mahazatra ny sofina rahateo moa ny fitiavan'izy ireo mikirakira teny ho fanomezana endrika kanto ny asa soratra. Tsy niaina tao anatin'ny vanim-potoana iray ireto poeta atolotra etoana.[...]

Mirazotra

 

Namoaka boky vaovao ny HAVATSA UPEM sampana Frantsa. Ahitana tononkalo 50, nosoratan'ny poeta Malagasy monina any Frantsa kanefa mbola manohy mitandro sy mandalina ny teniny. Ireto avy ireo poeta 17 nanoratra tao

[...]

Aparitaho ny feo
fa milaza vaovao
izao tontolo izao 

123madagascar.com
mpanangona ny tranonkala
momba an'i Madagasikara
sy ny Malagasy.

Cliquez pour visiter 123madagascar, annuaire et moteur de recherché dédié à Madagascar

ANDALAN-TENY

Andalan-teny
To
ngatonga
Ho azy teny
No nanonga ;

Ka nanjary
Voakaly
Voarary
Hampifaly !

Nokoloina
Ary indrindra
Nolokoina
Mba hirindra,

Hierinerina
An-kavoana
Averimberina
Eny foana.

25 jolay 2007