RAMANATANTARA Life by a malagasy woman

Vehivavy malagasy mikalo ny fiainana - Madagascar

TONGA SOA ! BIENVENUE !



Découvrez Nina Simone!



MANDROSOA, tompoko.

Misaotra indrindra niezaka tsy "nandalo tanà-misy havana" satria Izay mahavangivangy, hono, tian-kavana.

Ary manantena izahay fa ho afa-po tokoa ianareo.

Faly sy feno haja tokoa izahay mahazo mampiatrano anareo.

"MALAGASY AHO" io no hafatra tianay hampitaina.

Malagasy miaina eo anivon’ny kolo frantsay. Tombon-tsoa izany ary hita amin’ny asa soratray !

Mirary antsika rehetra samy hahita soa amin'izany.

Mihazakazaka ny andro koa matezà ny aintsika mba hahavita izay kely azo apetraka

ho an'ireo ankizy e !

NY FAHAIZANA, NY KOLONTSAINA sy ny FAMPIANARANA ho amin'ny FAHENDRENA ihany no HARENA AZO AVELA  ho azy ireo.

Mirary soa lalandava ho antsika rehetra.

Ny mpampiatrano,

Olga HELISOA, Parisy, 2007

Notsongaina avy tamin'ny tranonkala HELI'S MADAGASCAR



 

*****

 

BIENVENUE !

 

MERE et GARDIENNE DE FOYER, c'est un honneur de transmettre à mes prochains et aux miens, UN DES ELEMENTS ESSENTIELS de mon MOI PROFOND : MA CULTURE MATERNELLE, LA CULTURE MALGACHE...

Ceci ne va pas du tout à l'encontre des autres cultures dans lesquelles je suis plongée quotidiennement.

C'est une BRANCHE de MES RACINES et, il n'y a point de honte à dire qu' "un bel arbre a besoin de ses racines pour s'épanouir tout en vivant en symbiose totale avec les autres. C'est seulement dans cette réalité que la nature peut donner un ENSEMBLE HARMONIEUX". Cette image est là pour nous rappeler que tout être humain a besoin du RESPECT DE SON PROCHAIN.

C'est l'idée que révèle ce proverbe malgache :

"APPRECIE LA RICHESSE QUE REPRESENTE TOUT ETRE HUMAIN"

"AZA TSY TIA OLONA FA NY OLONA NO HARENA".

Pour nous, le patrimoine culturel, initiation vers la sagesse; telle est la vraie richesse à léguer à nos progénitures.

C’est pourquoi nous avons tenu à éditer ce site web.

Salutations cordiales,

Votre hôte. Olga HELISOA,  Paris, 2007

Extrait du site web HELI'S MADAGASCAR


 

*****

WELCOME !

MOTHER and GUARD OF HOME, it is an honor to pass on to my fellow men and to mine, one of the essential elements of my deep: my maternal culture, the malagasy culture...

This goes in no way against the other cultures into which I am daily plunged.

It is a part of my knowledge and I am proud to say that "a beautiful tree needs its roots to bloom while living in total symbiosis with the others".

. And so, the nature can give a harmonious set". This image is to remind us that every human being needs the respect for his fellow man.

This idea is revealed by this Malagasy proverb:

"APPRECIATE THE WEALTH WHICH REPRESENTS EVERY HUMAN BEING"

"AZA TSY TIA OLONA fa NY OLONA NO HARENA".

For us, the cultural heritage, the initiation towards the wisdom; such is the true wealth which we can Look in inheritance to our offsprings.

That is why we want to publish this website.

Cordial greetings,

Olga HELISOA

HELI'S MADAGASCAR

 

 

2 - RAMANATANTARA hoe?

 

RAMANATANTARA no tena anarako (état-civil) fa hehy sy adroadro foana no nataon'ny olon-dehibe sy ny ankizy fony aho mbola zaza ka farany aho dia nangataka tamin’ny papanay mba esorina izy io !

Dia nalahelo izy satria anaran'ny renibeko 2 no ao; renibe nifandimby izy ireo no mitambatra ary MPAMORONA sy MPITANTARA ANGANO no asany. Nolovainy nifandimby tamin'ireo vehivavy hatrizay tany aloha elabe izany.

Dia nanaiky ny papanay na dia nalahelo mafy aza. Toa mbola hitako ny masony nipitrapitra narahin-tsento !

Kanefa mafy ny fitiavan-janaka dia nakany amin'ny mairie izahay sy ny vavolombelona maro dia maro !

Dia HELISOA (fanampin'anarana) no lasa ANARANA ary Olga (anarana batemy na batisa) no lasa fanampin'anarana !

Nony niteraka aho vao tsapako ny hadalako !

Ny zanako no nanosika ahy hamorona sy hanoratra ANGANO malagasy sy hitantara azy ireo ny momba ny tanindrazany sy ny aminy rehetra... Vao tamin'ny volana septambra 2007 teo ry zareo vao nandingana ny tanindrazany !

Dia lasa nanoratra ho an'ny ankizy aho, amin'ny teny frantsay sy teny malagasy !

Dia teo aho vao nitady anara-penina !

Dia niverina tato amiko toy ny sarimihetsika ny zavatra niseho rehetra momba ny anarako izay mitahiry ny tantaran'ireo vehivavy rehetra tao amin'ny fianakavian-draiko.

Dia novelomiko ny anarako nomen'ny raiko ho ahy. Ny raiko, izay, misaotra an'Andriamanitra fa mbola velona: RAMANATANTARA !

 

RAMANATANTARA

Anarana hafa kely,
Anarana mitahiry,
Anarana tetiarana,
Andriambavilanitra:
Rasoatantara,
Ramanana...

***

Anaran'ireo renibeko
Nisesy hatrany,
Vehivavy nampianatra,
Nanao kolontsaina.
Anarana, anara-penina,
Anarana, tena anarako.

RAMANATANTARA, Massy, 13/11/08

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

Nombreux sujets culturels sur Madagascar


RETOUR à

Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

  BlogoBulle   VISITEURS  

Locations of visitors to this pagedepuis 10/10/08


Vehivavy malagasy mikalo ny Fiainana - Ny ASA SORATRo - Mes ECRITS de Ramanatantara, 2007

Mise en ligne 07/02/07 , webmestre Olga HELISOA  -  Contact olga.helisoa@orange.fr


REPRODUCTION INTERDITE

Site Web PROTEGE In HELI'S MADAGASCAR Edition