
Maro ireo nilaza fa tokony nataonay maromaro kokoa ireo tononkalo naseho ato amin’ity vohikala natokana ho an'i RADO ity kanefa ENTINA HANAINGA ANTSIKA REHETRA HITADY ireo bokiny HANAMPIANA NY MPANORATRA NO NANAOVANA ITY VOHIKALA ITY. Izay no tanteraka dia ho feno fankasitrahana tokoa izahay satria nody ventiny ny rano natsakaina.
Ce website dédié à RADO fait partie des instruments pédagogiques de HELI'S MADAGASCAR E-ENSEIGNEMENT.
Il est conçu gracieusement en vue de nous inciter à découvrir le talent du poète malgache et de rechercher ses ouvrages. Notre but sera alors atteint et d’avance, nous vous adressons nos remerciements. - Webmestre Olga HELISOA, 13/04/07
*********************
EDITO
This website dedicated to RADO, a malagasy poet, is gracefully conceived to incite us to discover RADO's talent and to look for his works. Our purpose will then be affected and beforehand, we send you our thanks. - webmaster Olga HELISOA, 13/04/07
*********************
INFOS sur LIVRES DE RADO
CONTACTS
Imprimerie Newprint
BP 7581
Immeuble ATELEMEC
Route des hydrocarbures
Ankorondrano Antananarivo
MADAGASCAR
Tél. 261 20 - 2233335 Fax 261 20 – 2236471
*****
MANKASITRAKA
Mankasitraka eram-po, eran-tsaina amam-panahy
anareo niombom-po, niombon-tsaina hanavotra ahy
Fa 'lay foko izay narofy sady vizana no reraka
indro tonga soa aman-tsara sady sitrana tanteraka.
Na ny manana hatao sy hasoavana miavaka
na ireo izay nitondra tao am-pony tamim-bavaka
Dia fisaorana mitovy, na firindra na fingadony
no atolotra azy ireo nosoniavin'ilay Radony.
Enga ho toetrantsika ka hitondra fiadanana
"Raha maratra izany vava, miainga hisafo eo ny tanana"
"Raha maratra koa ny tanana, io ny mitsoka eo ny vava"
Na samy hafa toerana aza: mifanampy lalandava.
Rado, 28/04/07
*****
MOSARENA
Atolotra ho an’i RADO ity tononkalo
sy vonikala kely ity ho fankasitrahana,
fisaorana sy firarian-tsoa
HO TAHIAN’ANDRIAMANITRA e !
Andro voalohany, androany...
Mamihina ireo boky mitahiry
Ny asa soratrao ‘zay efa
Novakiana, nohiraina !
Tamin’izay tsy nahalala akory
Hay ka asa soratrao izy ireo !
Mbola bitika, tany an-dakilasy,
Tsy nahazo niteny gasy...
Sao voasazy mamafa lakilasy,
Sao mandoha sazy ariary, volabe
Sitrany ahay hividianana "goûter" !
Mba kanto, mba lalina
Tokoa izato tononkira !
Noheverina ho misionera vahiny
No nahavita izany
Hay Tomponteny misera !
Mizara Finoana,
Mampahery namana,
Mpitolona, Mpiarabelona.
Dadatoa, mpikabary,
Mpamaky Hehy,
Mpandalina malagasy
No nahafantarana
Ny anaranao.
Toa mahita vatosoa sarobidy,
Rahefa mahita rombin-gazety
Miforiporitra, pasoana,
Vakiana miadana,
Ela dia ela !
Toa olona mivoy bisikileta
Miaka-bohitra faly sahirana
Miandrandra valin-kasasarana ...
Aty am-pita, mahita ny an’ny hafa
Ankalazaina ! ampahafantarina !
Mirongatra ny tsimoka nikobona anaty:
Fitia tsy hatao adaladala,
Mikatsaka, mampiely,
Mandalina tenindrazana.
Mbola mibadabada
Kanefa atolotra,
Atolotra anao,
Atolotr’lay Mosarena
Teny malagasy.
RAMANATANTARA, Parisy, 15/04/07
Merci de signer GUESTBOOK (livre d'or)
Nombreux sujets culturels sur Madagascar
Retour à
RADO, Mpanoratra an-gazety sy Poeta malagasy - MADAGASCAR - Journaliste, écrivain poète engagé malgache
Mise en ligne 14/04/07 VISITEURS
Webmestre Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr