I
RADO na Georges ANDRIAMANANTENA, iray anisan'ireo nitolona mafy ho
amin'ny fiarovana ny teny malagasy tamin'ny alalan'ny haisoratra.
Namohy olomanga i Madagasikara.
Miondrika
sy mampionona ary mampahery ny fianakaviany, Mivavaka ho azy ireo mba
ny Fiadananan'Atra ao amin' i Jeso Kristy, ilay mpamonjy efa naharesy
ny fahafatesana sy velona mandrakizay anie ho amin'izy ireo anaty izao
fotoana mangidin'ny fisarahana an-tany izao !
Manasa antsika hametraka hafatra ato amin’ity vohikala natokana ho azy ity
Ao amin'ny "Rakibolana - Livre d'or"
ho fiarahabana ny fijoroan’izany olomanga izany teo amin’ny FAHAFAHANA sy NY ZON’NY MAHA-OLONA MANA-KASINA NY MALAGASY.
Mandria am-piadanana, tompokolahy !
Ny mpandrindra,Olga HELISOA
Série de photos reportage de NARY -Moov.mg
Slide show de Olga HELISOA, HELI'S MADAGASCAR 12.10.2008
He sambatra aho Jeso raha miaraka aminao
Fa ny lalanao dia lavi-pahoriana
Ny ali-mampahory , ny raho-mitatao
Eo anilanao dia mody fitahiana
Tano aho Jesoa, hiaraka aminao
Izay lalana ombakoe! mba hazavao!
Izao ny faniriako manetsika ny fo:
Ho sakaizanao mandrakizay doria ;
Na inona mihatra , na inona manjo
Hianao no antenaiko hitantana ny dia
O! avia Jeso, tano aho e!
tantanonao ny diako Tompo mamonje!
Izay sakaizanao Jeso no ampoky ny soa
Feno haravoana sy lavitra manjo
Izay rehetra ilaina ananao tokoa
Raha miaraka aminao mionona ny fo!
Sambatra aho jeso, tretrika tokoa
Ravo ny fanahiko toloranao ny soa!
Inona no mamiko mihoatra noho ianao?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
Izay zavatra ilaiko azoko aminao
Koa onenonao ny foko, ho lapanao tokoa!
Manjakà jeso, ato am-poko Hianao
Izay fahotako e! ry Tompo avelao!
*****
RADO, UN GRAND LITTERAIRE MALGACHE
MORT dans la nuit du 15.09.08
RADO alias Georges ANDRIAMANANTENA, journaliste de son métier est un écrivain essentiellement d'expression malgache.
La plupart de ses écrits ont été traduits en plusieurs langues.
Son cheval de bataille est LA LIBERTE qui est la clef de la dignité et l'égalité de tous les êtres humains.
Nous
saluons ici la sagesse de cet enfant de Madagascar qui a su élever bien
haut Madagascar au sein du sphère littéraire mondial.
Nous vous invitons à lui rendre hommage en signant le "Livre d'or" du présent siteweb qui lui est consacré.
Toutes nos condoléances à la famille et à la nation malgache.
Que son souvenir soit béni !
Webmaster, Olga HELISOA
*****
FANKASITRAHANA
AVY AMIN’NY FIANAKAVIAN’
ANDRIAMANANTENA GEORGES
RADO
Maneho fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo amin’ireo rehetra nahatsiaro, niombom-po sy alahelo tamin’ny fianakavian-dRado eto izahay.
Fa na lasana aza Rado ka mbola eo ireo rehetra miantsa, manandratra, mikalo ny tsangan’asany dia mbola isan’ny velona izy.
Mankatelina indrindra tompoko.
Fanja ANDRIAMANANTENA
*****
KABARY
NATAON'NY FILOHA Havatsa-UPEM sampana Frantsa tao amin'ny FPMA Chauchat
ny Zoma 3 Oktobra 2008 - 8 ora alina, FANOMPOAM-PIVAVAHANA
IRAISAM-PINOANA
Tompokovavy ambasadaoro,
Tompokolahy ambasadaoro,
Tompokolaly sy Tompokovavy akanga sisa nanamborana navelan’I Rado,
Tompokovavy sy Tompokolahy,
Manolotra
ny arahaba madinidinika sy ny fisaorana nofantimpatenana ho anareo
rehetra tonga etoana ny tenako, amin’ny anaran’ny
fianakavian’Itompolahy Georges Andriamanantena sy amin’ny anaran’ny
fikambanana HELI'S MADAGASCAR, Opération Bokiko, ny Kolo, ny
Haisoratra, ary ny UPEM Havatsa sampana Frantsa, fa anisan’ireo
namporisika anay hanangana ity sampana Havatsa ity teto Frantsa i RADO
sy ny rahalahiny Célestin Andriamanantena izay efa nialoha azy any
amin’ny varo tsy mifody taona vitsivitsy lasa izay, koa rariny sy
hitsiny raha maneho etoana ny fahatsiarovana ombam-pankatelemana azy.
Na dia efa nampoizina aza dia nanaitra toy ny vara-datsaka ny vaovao
nilaza fa nodimandry ilay andrin’ny haisoratra sy ny kolon-tsaina
Malagasy. Raha vao nandre io vaovao io aho ny alarobia maraina dia toa
henoko Rado niteny hoe :
"Efa niady ny
ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho : nitahiry ny
finoana aho, hatram’izao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny
fahamarinana izay omen’ny Tompo Mpitsara marina ho ahy". Somary
nitsiky ihany aho nahatsiaro izany, tsy fanivaivana akory sanatria,
satria nampifandraisiko tamin’ny fahazaran’i Rado mifoha maraina
mandeha mihazakazaka teny Ivato sy Ambohibao, io tenin’ny soratra
masina io.
Eny tsy tokony hiteny aho raha ny fanirian’i Rado no
arahina raha nanoratra izy amin’ny fahatsorana nampiavaka azy ka
nanafatra hoe :
Antsoiko ianao mba hahatsiaro ireo malala tiako ireo
Ary hangina iray minitra dia hanonona ny anarany.
Saingy ataovy tsy ankiteny ary aza asiana feo
Fa izay dia efa ampy hamakianao ny tantarany.
Maro
ny efa voalaza momba an’i RADO ary mbola betsaka no ho lazain’ireo
mpandinika sy mpianatra ny asa navelany na amin’ny maha-poety azy na
amin’ny maha mpikabary mpamoron-kira, mpanao hosodoko. Kanefa tsy ny
hiditra amin’ny antsipiriany amin’ny fiainany no ivoriantsika eto,
amin’ity alina ity, fa ahatsiaro Ray aman-dreny sy namana. Hiara-mizara
amin’ny fianakaviana izao voina mianjady aminy izao fa araka ny
fitenin-drazana dia ny varavarana mivoha no azy fa iarahantsika rehetra
mizaka kosa ny manjo, hiara-hivavako ho azy.
Tsy ny poety ihany
anefa no tokony ho tsaroana raha mahatsiaro an’I Rado isika fa ny
olon’ny fiainana an-davanandro : Vady, Ray, namana, olon’ny
fiaraha-monina. Satria tsy azo sarahina amin’i Rado i Georges
Andriamanantena. Raha nanoratra i Rado dia i Georges Andriamanantena no
niantsa ireny tononkalo nosoratany ireny. Raha nihira ny fahafahana, ny
tsy fitovian-jo, ny fahantrana, ny fanavakavahana, ny voina nianjady
tamin’ny tanindrazana i Rado dia i Georges Andriamanantena no
hitantsika vatana nitsangana teny amin’ny kianjan’ny 13 may, niara
nisikim-ponitra tamin’ny vahoaka. Betsaka hoy aho ny zavatra efa
voalaza sy mbola ho lazaina momba azy kanefa ny tiako hifantohana eto
amin’izao alina izao amin’ny teny fohy dia Georges Andriamanantena
olon’ny fo, olon’ny fitiavana, olon’ny finoana olon’ny fanantenana.
Mbola
mazana no miraondraiona eo antsofintsika ireo hiram-pivavahana
nosoratany izay toa natao ho an’ny malagasy rehetra fa tsy ho an’ireo
mpiray finoana aminy ihany. Olom-pirenena tsy voafetran’ny
fanavakavahana na ara-pinoana na ara-pirazanana na ara-pihaviana i
RADO. Tsaroako isika, indray nirohotra tamin’ny herin-taona raha nila
fitsaboana izy ka hanampy ny fianakaviany amin’ny saran’izany. Izany no
porofo fa ny niriantsika indrindra dia ny ho velona mandrakariva izy
kanefa fantatsika tsara fa ny faniriana no an’olombelona fa ny zara
an’Andriamanitra. Nisy fotoana ahaterahana misy fotoana ahafatesana
araka ny fikasan’ny Mpandahatra izao misy izao.
Mino anefa isika
fa toy ny tantely izy ka maty namela. Ny nofony no nodimandry sy
nolovin’ny fasana fa izay rehetra navelany dia tsy ho levona akory fa
ho zary lova sarobidy ho antsika tsirairay. Raha nanontany ny poety
Dox na Jean Verdi Salomon Razakandrainy hoe : inona no havelantsika ho
an’ny taranaka mandimby ? Ny sangan’asan’i Rado dia mamaly tsy misy
olakolaka io fanontaniana io. Ny vokatry ny talentany no navelany ho
lovantsika sy ho lovan’ny taranaka.
Fa RADO dia Hery manosika
handroso. Mpitari-dalana ny mpiara-belona aminy. RADO dia ilay
mpitondra fanilo hanazava ny lalan’ireo ao anatin’ny aizin’ny
fahoriana, ilay mpitantana ny mpitolona ho amin’ny fahafahana, ilay
mpiady amin’ny tsy fitovian-jo. Rado dia ilay poetin’ny finoana tsy
voafetra. Mitondra ny fanantenana ao am-pon’ireo ianjadian’ny
fanavakavahana sy ny famoizam-po. Firy amintsika no tsy nahatsiaro
maivamaivana raha namaky ny tononkalon’i RADO tamin’ny fotoana
manjombona nodiavintsika ?
Ireo rehetra nifanerasera tamin’I Rado dia voasinton’ny halemem-panahiny sy ny fahatsorany.
Tsy
ny fahaizana mandrindra teny ihany no maha-poety ny poety fa ny
fahaizany indrindra milaza izay tsapany sy ianany na iainan’ny
mpiara-belona aminy. Fa niaina ny tononkalony rehetra Rado. Ra
mikoariana tao anatiny ny tononkalo. Mirakitra ny fanantenan’ny
Malagasy rehetra ny tonkalon’i RADO
Tsy hita ao amin’ny tononkalony
Rado ny famoizam-po na firaviravian-tanana fa ny fanantenana no
manenjana ny tononkalony. Na dia nandalo ny mangidy sy mafaitra
indrindra aza izy raha nadao azy ireo silakin’ny fony, raha naiditra
am-ponja izy noho ny filazany ny marina dia tsy niala tao aminy,
nanohana azy mandrakariva ny fanantenana ny finoana ary ny fitiavana.
Izay rehetra nosedrainy dia nanakarany lesona kanefa lesona tsy ho azy
irery fa toa nomeny antsika rehetra. Raha tafavory eto isika dia tsy
hahatsiaro ihany ny poety fa hahatsiaro ilay ampahan’ny tenatsika
tsirairay avy satria ao amintsika rehetra amin’ny alalan’ny tononkalony
izy. Samy te-hiteny ny fahatsiarovantsika azy ny tsirairay kanefa ny
fotoana voafetra koa araka ny fanirian’ny maro ka ankatoavin’ny
fianakaviany dia hisy fotoana hiarahantsika hahatsiaro am-pitiavana ary
am-pitoniana azy.
Koa amin’ny anarantsika rehetra eto sy ireo tsy afaka tonga dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviany isika.
F-X Mahah - Président Havatsa-UPEM France, 75009 Paris, 03.10.08
*****
Ho fahatsiarovana an'i Rado izay lasa nandao antsika.
Na lasana aza izy dia tsy maty satria mipetraka ao am-pontsika ny fahatsiarovana azy.
Ity misy tononkalo iray natolotro azy fony faha-80 ny taonany.
ISAKY….
Ho fahatsiarovako ilay poeta
sy sakaiza hajaina “RADO”
Namonjy ny habakabany ilay kinta-manjopiaka
Nitsilo nanazava ny aizin’alintsika
F-X Mahah
Isaky ny misy molotra mingonona ny hiranao
Dia hisy tsiky hamololona eny an’endrika rehetra
Hisy fo hametsovetso hahatsiaro ka hitsetra
Isaky ny misy tiona na ny ela na ny vao
Manandratra avo ny fanahy efa lanaky ny tany
Dia ny ngadonao no tonga ka handritra ny tomany
Isaky ny misy saina maminany ny tsy fantany
Ka ho feno fanahiana ary horohoro hatrany
Dia ny “ampitso” hitanao no asetriny an’izany
Isaky ny misy resy manontany izay mba satany
D’ireo teny fafinao no handrisika azy hitraka
Fa mirakitra herim-po sy finoana latsa-paka
Isaky ny misy molotra mingonona ny hiranao
Ka mikaroka ny teny nosoratanao ho toniny
Teny hafa tsy anao no tsaroany na foroniny
Ho feno anefa ny any am-pony hanembon-tany vaovao
F-X. MAHAH
29 oktobra 2008
Rado dans un état critique In Express Mada 09.09.08
A la suite d'un problème cardiaque et d’un tumeur au cerveau,
l'écrivain et poète Georges Andriamanantena, alias Rado, se trouve
actuellement dans un état critique à l'hôpital militaire de
Soavinandriana.
Son état de santé a empiré depuis quelques jours.Sous sédatif, il a été admis d'urgence en salle de réanimation hier soir.
Depuis le 22 août , le médecin veille jour et nuit sur l'une des grandes figures de la littérature de la Grande île.
Merci de signer GUESTBOOK (livre d'or)
Nombreux sujets culturels sur Madagascar
Retour à
ENSEIGNEMENT de LANGUE MALGACHE
RADO, Mpanoratra an-gazety Poeta malagasy - MADAGASCAR - Journaliste écrivain poète engagé malgache
Webmestre Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr