RADO, 1923 - 2008 malagasy Journalist Poet

Mpanoratra Poeta malagasy - Poète de la Liberté, la Fraternité - Journaliste, musicien, peintre engagé - Membre Académie Malgache - POET of the FREEDOM, the BROTHERHOOD

VAVAKA - MATY - AVELA - MAHAZO MATY - RY TENIN-DRAZAKO

VAVAKA

 

Tompo ô ! Mafisa fo,

Ka aza omena valiny aho

Na nangataka aza anio !

Fa iangaviako Ianao !

 

Omeo ho an’ny rahalahiko,

Ary ho azy manontolo,

Izay fangatako isan-andro !

Omeo ho an’ireo mahantra

Izay fitakiko androany.

 

Omeo ho an’ny maro anaka

Ny sakafo anio tontoloko.

Omeo ho an’ireo sahirana

Izay anjara tsikitsikiko,

Omeo ho an’ireo voazioga.

 

Ny fahafahako anio,

Avela aho mba hangatsiaka,

Avela aho mba hitofezaka,

Avela aho mba hitomany

Avela aho mba ho voageja

 

Na anio fotsiny aza !

Sao izay no hanamaivana

Ny am-paham-pahoriana

Entiny mandava taona…

Sy ny masoandro takona

 

Lolohaviny isan-andro,

Sady koa mba hamantarako

Ny fitiavan-tena disoko,

Fa ny ho ahy hatrany hatrany

No efa niadiako fo,

 

Rehefa mba mivavaka aho,

Ka hadinoko ny hafa,

Koa italahoako Ianao :

ADINOY AHO ANIO !

RADO, 1961, DINITRA pp.44-45

 

****************

PRIERE

Seigneur ! Endurcis ton cœur

Ne réponds pas à ma requête

Même si je prie aujourd’hui.

 

Je te supplie !

Donne à mon frère,

Et totalement à lui

Ce que j’ai l’habitude

de demander chaque jour.

 

Donne à ces pauvres

ce dont je me vêts ce jour,

Donne à ces familles nombreuses

Mes repas de la journée 

Donne à ceux qui sont en peine

Ma part de sourire

 

Donne à ceux qui sont enchaînés

Ma liberté d’aujourd’hui.

Laisse-moi endurer et le froid

Et la faim

Et les pleurs

 

Et les fers

Ne serait-ce qu’aujourd’hui !

Si cela pouvait alléger

Une partie des malheurs

Qu’ils endurent toute l’année

 

Et ce soleil caché

Qui les subjugue tous les jours.

Et que je puisse reconnaître

Mon égoïsme erroné

Qui s’est trop empressé

A tout s’approprier :

 

Tant et si bien que lorsqu’il m’arrive

De prier, j’oublie les autres !

Je t’en supplie :

Oublie-moi, aujourd’hui !

RADO, 1961, DINITRA, pp. 44-45

Traduction Richard Andriamanjato

 

****************

 

PRAYER

Lord ! Harden your heart

do not answer my request

Even I pray today.

 

I beg you !

Give to my brother,

And totally to him

for what I am in the habit

of asking every day.

 

Give to these poor men

in what I dress this day,

Give to these large families

My meals of the day;

Look to those who are in effort

My part of smile

 

Look to those who are chained

My current freedom.

Let me bear and the cold

And the hunger

And the tears

And the chains

it would be only today !

 

If it could relieve

A part of the misfortunes

Which they bear all year long

And this hidden sun

Which subjects them Every day.

 

And what I can recognize

My erroneous egoism

Which too much fussed around

A everything appropriate:

 

So much and so that when

I pray Sometimes,

I forget the others !

I beg you:

Forget me, today !

RADO, 1961, Dinitra, pp.44-45

Translation in English by RAMANATANTARA, 13/04/07

 

 *******************************

 MATY

Maty ilay mpivatotena !
Maty tsisy mpanontany !
Maty tsisy mpanhonena !
Maty tsisy mpitomany !

Ny mpivavaka ?…Nandalo …
Dia nisaotra an’Andriamaniny;
« Afa-doza nampimalo,
hono, izao ny tany maminy »…

Tsy mba olona tomefy
No namoaka izato faty
Fa tovovavy jefijefy
Na fiaina na fitafy…

Ny iray niantso an’Andriamanitra
Sy nivantambantan-teny :
"Omeo azy re ny lanitra,
fa ampy izay ny Afobeny !"

RADO, 16 janoary 1970
Dinitra, tak. Faha-121


DEAD WOMAN


She died the prostitute
Dead woman without that we worry about it !
Died without that we feel sorry for it !
Died without anybody to cry !

The believers? … They were only crossing…
And thanking their Lord
"Finally cleared of the sad evil" they say,
this earth which they love.


It is not an immense crowd
Which followed the funeral
But by indecent young ladies
In their life, in their look …



One of her addressed
God With a brutal frankness:
"Its Hell Thus give her finally the sky,
that too much lasted !".
RADO, 16 january on 1970 DINITRA, p. 121 –
Translation in English by RAMANATANTARA, Paris, 13/04/07



MORTE

Elle est morte la prostituée
Morte sans qu’on s’en inquiète !
Morte sans qu’on en ait pitié !
Morte sans personne pour pleurer !

Les croyants ? …Ils n’ont fait que passer
Et remercier leur Seigneur
"Enfin débarrassée d’un triste mal"
disent-ils, cette terre qu’ils chérissent.

Ce n’est pas une foule immense
Qui a suivi le cortège funèbre
Mais des jeunes femmes indécentes
Dans leur vie, dans leur allure…

L’une d’elle s’adressa à Dieu
Avec une brutale franchise :
"Donne-lui donc enfin le ciel,
son Enfer n’a que trop duré !".
RADO, 16 january 1970
DINITRA, p. 121 – Traduction Jeannine Rapiera RAMBELOSON


 *******************************

AVELA

Avela ho sorena izay te-ho sorena

Fa isika tsy maintsy midrikina hatrany 

Raha toa mbola misy ny tsindrihazolena

Mahazo ny mainty eto ambonin’ny tany !

 

Avela izay sofina ho vaky ho vaky,

Mandre antsoantso tsy azo tsindrina,

F’isika rehetra tsy maintsy mitaky

Ny zo sy ny satan’ny fampitoviana.

 

Avela izay maso manjola hanjola

F’isika tsy andevo na olona adala

Antsika ny aina ary azy ny vola

Raha tsy mifanaraka samy miala !

RADO, 17 may 1969, Dinitra, p.105

 

************************

LAISSEZ DONC

Laissez donc se fâcher ceux qui veulent se fâcher

Mais pour nous, il nous faut sans cesse protester

Tant qu’existeront encore les injustices

Que subissent les noirs sur cette planète.

 

Laissez donc se casser les oreilles qui se cassent

En entendant les cris qu’on ne peut étouffer

Mais pour nous, il nous faut ensemble réclamer

Le droit et le statut d’une même égalité.

 

Laissez donc les regards loucher de colère

Mais pour nous, nous ne sommes ni esclaves ni fous

A nous la force, à eux l’argent…

S’il n’y a pas entente, chacun pour soi.

RADO, 17 may 1969, Dinitra, p.105

Traduction jeannine RAPIERA RAMBELOSON

 

*************************

 

LET THUS

Let get angry thus those who want to get angry

But for us, it is ceaselessly necessary to protest

As long as will still exist the injustices

Which undergo the blacks on this planet.

 

Let break itself thus the ears which break

themselves by understanding the shouts

which we cannot suppress

But for us, it is together necessary to demand

The right and the status of the same equality.

 

Thus let the glances squint of anger

But for us, we are neither slaves nor madmen

To us the strength, to them the money …

If there is no agreement, each for one.

RADO, 17 may 1969, Dinitra, p. 105

Translation in English by RAMANATANTARA, Paris, 13/04/07

 

******************************

 

MAHAZO MATY

(Ho fahatsiarovana ny tolon’ny mpianatra 1972)

 

Isaky ny ady sarotra

Izay manambana an-tokonako

Impiry aho no niady varotra

Hitombo ny hery hitolomako ?

 

Impiry koa no nirariako

Hohalavaina refy ny androko,

Hiarovako ny tiako

Sy ny anjara-masoandroko ?

 

Ny sandry anefa ity toa trotraka

Kiry sisa mitsingevana

Raha mbola hiady sao dia potraka

Fa efa hazo amoron-tevana !

 

Kanjo, indro, fa nitràka

Ny zatovon’ny tanànako :

Nifandrombaka sy naka

Ilay "fanilo" teny an-tanako.

 

Nohirainy tsy miambatra

Ny fitiavany ny taniny.

Nomeny toky fa ho sambatra

Izato firenena maminy.

 

Lasa teo ialy fieremako

Ny adi-varotro nofoanako.

"Mahazo maty ialahy, ry tenako !

fa mijoro ny taranako" !

RADO, 04 mey 1972 – DINITRA, takila faha-157

 

**************

 

I CAN DIE

(In memory of the students’s fight in 1972)

 

In every difficult fight

Which threatened my threshold

How many times did I haggle ?

So that increase my strengths to fight ?

 

How many times did I wish

That the length of my days goes on

So that I can defend those who I love

And my part of sun ?

 

My arms are tired, nevertheless,

Floats only the stubbornness

Continue to fight, it is to risk to fall

Because I am henceforth a tree on the brink !

 

However, and got up

The young people of my country:

They hurried to take

The torch of my hands

 

They sang without hesitating

Their love for the homeland

And promised to make happy

This nation which is dear to them

 

My requirements disappeared

I stopped haggling "you can die,

ô you my being,

because your descent gets up ! "

RADO, 04 mai 1972 – DINITRA, p. 157

Translation in English by RAMANATANTARA, 17/04/07

 

**************************

 

JE PEUX MOURIR

(En souvenir de la lutte des étudiants en 1972)

 

A chaque combat difficile

Qui menaçait mon seuil

Combien de fois ai-je marchandé ?

Pour qu’augmentent mes forces de lutter ?

 

Combien de fois ai-je souhaité

Que la longueur de mes jours se prolonge

Pour que je puisse défendre ceux que j’aime 

Et ma part de soleil ?

 

Mes bras pourtant sont fatigués

Surnage seulement l’obstination

Continuer de lutter, c’est risquer de tomber

Car je suis désormais un arbre au bord du gouffre !

 

Cependant, voilà que se sont levés

Les jeunes de mon pays :

Ils se sont empressés de prendre

Le flambeau de mes mains

 

Ils ont chanté sans hésiter

Leur amour pour la patrie

Et ont promis de rendre heureuse

Cette nation qui leur est chère

 

Ont disparu mes exigences

J’ai cessé de marchander

"Tu peux mourir, ô toi mon être,

car ta descendance se relève !"

RADO, 04 mai 1972 – DINITRA, p. 157

Traduction Jeannine Rapiera RALAMBOSON

 

*****

RY TENIN-DRAZAKO 


Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko !

Tiako ianao, lalaiko loatra ary izao dia tsy afeniko,

Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko

Mampitovy lanja anao sy i Neny ilay niteraka ahiko.

Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny :

Nanononako an’i Dada, nanononako an’i Neny.

Dia i Dada sy i Neny : sampan-drano nitsinjovako

Ny loharano niandohako dia ireo razana tsarovako.

Dada ! Neny ! mamy izany. Aina nisehoan’ny felana,

Tany nisehoan’ny voa, lalana nanelanelana,

Vavolombelona hita maso maneho ny lasa izay takarina

Ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina...

Tiako i Dada, mamy i Neny ! Nefa inona, lazao

Ny ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao ?

Ry Tenin-drazako lalaiko ! Ry teny mamy tsy hariako,

Taminao no nahalalako ireto faka nitsiriako...

 

***

Ary raha zohina indray ny zanatohatra niakarako,

Teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako,

Dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra

Hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra

Ny hasoan'ito taniko. Ka na lanitra baliaka,

Na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka,

Na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo

Eny anivon-takariva mampiherika mpandalo

Ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngazako...

Taminao dia taminao ! Taminao ry tenin-drazako.

***

Ary nony vaky vony ilay fitia tanaty foko,

Ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,

Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro

Hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro ?

Teny tsotra mahalaza ny fitia sy ny alaheloko

Izay nirafitra ho tantaran'ny tsiambarambarateloko .

Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko,

Tsy nindrana aho fa ambiny aza ireto vita an-taratasiko !

***

Tapitra eo va re ny soa sy ny voa izay notiazako

Taminao, ry teny tiako, taminao, ry tenin-drazako ?

Moa ny herinao voafetra ho an'ny andro fahazazako

Ka raha misondrotra ny taona dia hiletsy ilay malazako ?

Tsia ry teniko lalaiko ! Tsia, ry teny izay hamboiko !

Tsia ry teny malagasy, ry fiteny iray tsy foiko !

Atao ahoana no hanadino, fa ireo aina sy solofoko,

Ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko :

Tsiry vokatry ny faka, piti-drako tonga aina,

Sarobidiko, lalaiko, nofiko raha diva haraina :

Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy...

Tsy taminao daholo va no nanononako an'izany ?

Taminao no nahitako izay mba laniko ho anarany,

Na i Ramatoaniaiko, na izato Andriamparany...

Ry tenin-drazako lalaiko ! Afapo ny faniriako,

Fa azo taminao daholo izay itiavako ny tiako.

***

Ary moa ho lany tsiro ny herinao raha toa fakaina

Ny hasinkasin-kevi-tsoa italanjonan'ito saina,

Rehefa injay ianao velarina hanamboarana fiainana :

Mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana .

Voazavanao ny tsy hita maso, tazoninao ny fahagola ,

Raketinao ny fahendrena tamin-drazako efa tola.

Abaribarinao an'ohatra ny adim-piainana itolomako,

Ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako,

Ny fanahy mikatsaka hery, ny finoana izay ilomako,

Hay tsy zava-baovao, f'efa nisy ka iombonako

Tamin'ireto razambeko, olon-kendrin'ny fahiny,

Italanjonan'ny taranaka mandimby ankehitriny ?

Dray ! Ry teny mamy loatra ! Dray ! Ry teny iray mba tiako !

Moa tsy ny torohevitrao no nanitsiako itony diako ?

Tiako ianao, lalaiko loatra ! Ny momba anao sy ny forongony

Horaiketin'ito foko amin'ilay vilany nongony...

Ka ny satanao rehetra sy ny zony no handrianiko

Ny hevitra napetrakao hozohiko sy antoniko.

Ka na firy refin'andro hany sisa holalovako,

Ahy ianao, ry tenin-drazako, ary hijanona ho lovako.

Rado 1952 – Dinitra- pp 15 17

 

 

Merci de signer GUESTBOOK (livre d'or)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar 

Retour à

ENSEIGNEMENT de LANGUE MALGACHE



http://helismadagascar.blogspot.com

 

RADO, Mpanoratra an-gazety sy Poeta malagasy - MADAGASCAR - Journaliste, écrivain poète engagé malgache

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr