FREDY JAOFERA
    Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France


 
FREDY JAOFERA
NAVIGATION
FREDY JAOFERA
BOKY NIVOAKA
TONONKALO
DATY
LISITRA
NY TIANY
Hetsika RADO
29 MARSA 1947
TRANOKALA
BLAOGY
SARY HAVATSA
SARY 30 AVRILY 2005
FIAP 30 AVRIL 2005
LAHATSORATRA
HAVATSA FRANTSA
RELATION SACREE
L'ORALITE MALGACHE
VOCABULAIRES DE POESIE
POESIE DES POETES
HIRAM-PIRENENA






    
IZY NO FREDY JAOFERA

                                                

 

 

FANTARO I FREDY JAOFERA

 

Vao mahita an'i Fredy JAOFERA ianao dia mety hihevitra fa karana izy na ny sahalahala amin'izany. Raha mandre azy miteny dia mety hilaza fotsiny izao hoe vazaha miteny gasy ity satria tena miraiki-dela tokoa i Fredy JAOFERA. Tsy dia mahagaga izany satria ny fahazazany mihitsy no voavolavola tamin'ny teny frantsay, tamin'ny tontolo frantsay. Nisy fotoana rahateo nipetrahany tany Frantsa. Nahazo anarambositra mihitsy izy mirahalahy tany ambanivolony (Ambohipanja) hoe : Gasy tsy mahay miteny gasy". Niempo ny hambom-pon'ny lehilahy ary mbola tsapany ihany fa Malagasy izy ka nikirizany mafy noho izany ny hamolaka ny tenindrazany . Io hambom-po  haneho ny maha-gasy io no isan'ny antony iray nahatonga azy ho mpanoratra. Na izany na tsy izany anefa dia azo lazaina fa rà mikoriana ao amin'izy mianakavy io soratra io. Efa nanana ny lazany manokana i Fredy Rajaofera tamin'ny fotoan'androny. I Fredy JAOFERA tokoa mantsy dia tsy i Fredy Rajaofera fa zafikeliny. Malaza eo amin'ny sehatra fanaovan-gazety ny anarana hoe Rajaofera, efa any amin'ny sehatra ny haino aman-jery koa izy amin'izao fotoana izao ary efa tonga any amin'ny politika aza. Mpanao gazety RAJAOFERA Elise renin'i Fredy JAOFERA, manam-pahaizana ambony tao amin'ny asa vaventy ny rainy RAKOTOMALALA Eugène Louis, ny 30 Aprily 1962 no tonga teo amin'izao fiainana izao ry zalahy. Roa lahy izy no iray tampo, i Jaofera no zokiny.

Telo lahy ny zanaky Fredy JAOFERA ankehitriny ary azo antoka fa misy Jaofera koa ny anaran-dry zalahy ireo. I Vero no silaky ny fanahiny ka nampiteny azy hoe : "Nony nisy i Vero, saino sy hevero ary mba diniho ny lalako eto anio, fa zary fitoniana azoko itokiana, zary fanajana, tsy azonao ravana ; zary lamin-tsaina mamelombelon'aina, zary koa fitiavana mitombo toman-davana".

Mitana toerana lehibe eo amin'ny fiainan'i Fredy JAOFERA ny teny : ny teny Anglisy rehefa mampianatra ny teny Frantsay rehefa miresaka (amin'ny fianakaviana) ; ny teny malagasy rehefa manoratra.

Mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpanoratra HAVATSA izy ary niditra tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny 24 Febroary 1991.Monina any am-pita izy izao ary Filoha lefitry ny Fikambanan'ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa. 

..Izay no Fredy JAOFERA atao indray mijery.

 

 

 

NY AMPITSO


 





Ho làlana rakotra pika,
ho tanjona hampisariaka,
ho fiainana tsisy tomika
no foronin'ilay mba isika.


 

Ho andro feno hasambarana
hampidina itony fiakarana,
hanokatra ireo varavarana
sy hamony izay nisasarana.


 

Ho tanteraka ireo faniriana,
ho resaka ny nampahoriana,
ho lanitra toa mahavariana
ny voadin'ny tia sy ny tiana.


 

Ho tody ilay fahombiazana,
ho hira no mbola hotazana,
hitsinjo ireny efa razana
sy hitahy izay hofafazana.


 

Ho mamy tsy mbola voabara,
ho meva sy tsy mba voarara,
ho hery narafitra ho anjara
hahamoana ireo vaky barara.


 

Ho tany hahasoa sesehena,
ho lavitry ny mampahonena ;
hahamiratra ireo fandresena
sy hivatsy izay fahendrena.

 


 

Fredy JAOFERA

 





                                                NY TENY MALAGASY ATY AM-PITA
 
 

Iza no olona tsy tia ny tenindrazany ? Iza no Malagasy tsy tia miteny malagasy ? Aza mba manao toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza, tsy tia azy ! Masina ny tenindrazantsika ka tokony ho mavesa-danja ao amin'ny Malagasy rehetra ny fitiavana azy ; tokony ho laharam-pahamehana ao amintsika tsirairay avy ny fahaizana azy, na aiza na aiza tany iainantsika.Nisafidy niala an'i Madagasikara izay Malagasy tafavoaka hikatsaka fiainana tsaratsara kokoa sy ho ambasadaoro eran'izao tontolo izao fa misy Madagasikara ary misy koa ny teny malagasy. Isika no tokony ho voalohany hampahafantatra amin'ny vahiny isan-karazany ifaneraserantsika fa manana ny tenindrazantsika isika ary tsy menatra manana azy na mampiasa azy rehefa any an-trano, any amin'ny fianakaviana ary rehefa miaraka amin'ny samy malagasy.Aza manao hoe "Niova andriana, niova sata" na ny marimarina kokoa hoe : Niova tany, niova teny !...Isika aty an-dafy no fitaratry ny tanintsika sy ny tenindrazantsika ka tokony hanana hazon-damosina ombieny manoloana ny firenena maro fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny teny malagasy.

Mampalahelo anefa fa arakaraka ny nisafidianan'ny Malagasy hipetraka aty an-dafy dia nirefarefa ny teny malagasy. Nihena toy ny fen'antitra sy nidina toy ny rambon'omby ny fahaizan'ny Malagasy miteny malagasy noho ny fahadisoam-pisainana sy fahadisoam-pijery fa tsy mariky ny fivoarana sy sarin'ny fahombiazana eo amin'ny fiainana ny teny malagasy. Tontolo iainana vahiny sy fiaraha-monina tsy miteny malagasy tokoa no atrehany isan'andro any am-pianarana sy any am-piasana hany ka hamaivamaivanina sy tsy raharahina intsony ary tsy hajaina intsony ny tenindrazantsika.Mahamenatra mahita Malagasy mieboebo amin'ny teny vahiny fa tsy mahay mirehareha amin'ny tenindrazany ; mahaketraka mandre Malagasy manambonibony ny tenin'ny hafa fa manamaivamaivana ny an'ny tenany ! Mahakivy kanefa izay no zava-misy aty an-dafy rehefa "tafita ny Malagasy" na lasa ambony. Izany dia tsy midika velively fa aza ianarana ny teny vahiny ! Nosy isika ka tokony hahay hifandray amin'ny firenena rehetra sy ny olona rehetra te hifandray amin'i Madagasikara. Ilaina ny teny vahiny fa tsy atao ambanin-javatra ny fahaizana ny tenindrazana.

Izay tia ny teniny, tia ny taniny ; izay tia ny taniny, tia hoe Malagasy izy. Ampiasao ny tenindrazanao n'aiza n'aiza misy anao tahaka ireo ataon'ny firenena maro. Aza menatra ary aza matahotra fa fitaritr'i Madagasikara ianao sy ny fisian'ny teny malagasy. Ho ela velona anie ny teny malagasy !

 

 

                                                                                     Fredy JAOFERA



HAVATSA FRANCE

 

 

Union des Poètes et Ecrivains Malgaches

section France

 

Qui est l’Association ?


 

"Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. " Di... 1993
" Ma langue, je la fais souveraine ; quant à celles d’autrui, je les maîtrise et les fais miennes aussi. " Di... 1997.

 

Rahaingoson Henri dit Di de son nom d’auteur est le Président actuel de l’HAVATSA - UPEM ou Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy ou encore Union des Poètes et Ecrivains Malgaches. L’ UPEM a vu le jour le 06 Septembre 1952, par l’initiative de 15 membres, dont Régis RAJEMISA RAOLISON, Elie Charles ABRAHAM, Daud RATSARAZAKA, NIVO-HARY, Flavien RANAIVO, DOX, Ener LALANDY, Pénombre ANDRIAMPENOMANANA, RAZAFINDRATRE Jean Louis, Odeam RAKOTO, Pierre Janvier ABRAHAM, Michel Guste RAKOTONIRINA, Raymond ABRAHAM, RAHARISON Faustin, Michel Paul ABRAHAM, le seul survivant car Ener Lalandy nous a quittés récemment. Cette union a été révélée par l’amour de la langue Malgache, ainsi que de lui rendre sa dignité, pour une éducation de l’être et de l’âme, sans aucun doute à travers la littérature. Conférences, montages poétiques, émissions radiophoniques, expositions littéraires, visites sous forme de conférence-débat dans les écoles par des écrivains et poètes illustres font partie intégrante du programme de l’UPEM, ainsi que les communications permanentes au niveau de l’Académie Malgache. Le terme HAVATSA, associé à l’ UPEM, depuis le quarante cinquième anniversaire de l’association en 1997, qui est traduit en français par " sceau ", nous incite et nous invite à sentir la marque de sceau de la langue malgache en nous, pour qu’elle soit " tandra vadin-koditra " ou le grain de beauté qui épouse la peau, qui ne s’enlève pas, qui est incrusté, qui fait partie de notre identité culturelle.

Et l’HAVATSA-UPEM a vu le jour en France le 14 Novembre 2004, fondée par F-X-Mahah (Razafimahatratra François Xavier), son président ; Fredy Jaofera (Rakotomalala Eric) ; Hanitr’ony (Salomon Andriamasinony) ; Ny Kanto (Razakandrainibe Fabien Gaston) ; Andamioly (Andrianaivomanjato Miora) ; Aina (Randrianaivosoa Aina) ; DadaRabe (Rabe Andriamanarivo Paoly) ; Toetra RAJA, Andry Salomon (Salomon Andrianantoanina) ; Rajaonarivelo Lalatiana Sandrine. Et c’est pour la même cause, la langue malgache, cette langue maternelle, et paternelle aussi parfois.
(De Sobika.com)

Les membres actuels :

-  M. RAZAFIMAHATRATRA François-Xavier (F-X. Mahah)

-  M. RAKOTOMALALA Eric ( Fredy JAOFERA)

-  Mme SALOMON Andriamasinony Josiane (Hanitr’Ony)

-  M. RAZAKANDRAINIBE Fabien Gaston (Ny Kanto)

-  Melle ANDRIANAIVOMANJATO Miora Lala (Andamioly)

-  Mme RAHARIJAONA Marie-Angèle (Antsiva)

-  Melle RAJAONARIVELO Lalatiana

-  M. Abel ANDRIARIMALALA

-  M. Jean MARLINE (Bana RAHALAHY)

-  M. RANDRESIARISOA Barimanana (Bary RANDRESY)

-  M. SALOMON Andry

-  Mlle RAZANAMANDIMBY Lalaina Raymonde (Lal-aina)

-  M. RAZAFINDRATSIMA Ndremahery

(JPG)
Havatsa-Upem Frantsa
Santionany amin’ireo mpikambana


 

FREDY JAOFERA

 

 

 Fredy JAOFERA na RAKOTOMALALA Eric Fredy Jaofera dia teraka tamin'ny 1962 tao Antananarivo ary zanak'Itompokolahy Eugène L.RAKOTOMALALA sy Itompokovavy Elise RAJAOFERA.

Mpirahalahy monja ry zareo no zanaky ny ray aman-dreniny. Tamin'ny taona 1974 no nanomboka nanoratra i Fredy JAOFERA tao amin'ny tokontanin'ny Parcs et Ateliers des Travaux Publics tao Alarobia Amboniloha. Tsy nitsahatra intsony izany fanoratana izany ka mbola mitohy aty am-pita hatramin'izao.Manam-bady izy ary manan-janaka telo lahy. Ny lalaon-tsaina ECHECS no fialam-bolin'i Fredy JAOFERA tiany indrindra. Tamin'ny 1992 izy no tafiditra tao amin'ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches.
Mino ve ianao raha holazaiko hoe tsy nahay niteny malagasy i Fredy JAOFERA taloha ? Mino ve ianao raha holazaiko hoe ny teny frantsay no teny nampiasainy tamin'ny fahazazany ? Ny anaram-bositra nomen'ny olona azy teny ambanivoliny (Ambohipanja) dia GASY TSY MAHAY MITENY GASY. Araka izany dia sarotsarotra ihany no nieritreritra hoe ho tonga mpanoratra malagasy izy aty aoriana ; sarotsarotra ihany no noheverana hoe ho tonga poety toy izao ny tenany satria tsy nisy, na dia iray aza, nampirisika azy hahay hiteny malagasy ; tsy nisy nanentana azy ho tonga poety na mpanoratra fa nataon'ny sasany ho rediredin'adala sy nofinofy tsy ho tanteraka ny hambom-pony hahay hiteny malagasy ; noheveran'ny olona nanodidina azy ho tsy vitany na tsy hainy ny ho tonga poety mahasoratra amin'ny teny malagasy satria tontolo niteny frantsay no namolavolana azy sy nanamboarana azy kanefa noho ny ezaka sy kiry ary ny finiavana sy ny fitiavana ny teny malagasy tany anaty rà dia nisosa ihany ny penina ! Sarotra inoana toy ny gisa mainty ny zava-nitranga sy notantaraina ! ...Sarotra ekena mihitsy indraindray ! Hatramin'izao dia loharano tsy ritra ao anatiny ao ny soratra.

Ny tononkalon'i Fredy JAOFERA dia efa niseho tamin'ny gazety maro toy ny ATRIKA, MATIN, MIDI,TRIBUNE ary ny revio MPANOLOTSAINA, NY SAKAIZAN'NY TANORA ary ny MPAMANGY. Efa niseho ihany koa tamin'ny fahita lavitra TVM izy tamin'ny fiarahany amin'ny Faribolana SANDRATRA sy ny fandaharana SALANITRA ary fotoana hafa...Farany, novakina tao amin'ny Radio RNM ny asa sorany tamin'ilay fotoana isak'alahady hariva amin'ny valo antsoina hoe : "Feom-baliha mamatonalina". Taty aoriana dia re ihany koa tao amin'ny Radio Feon'Imerina ny tononkalony. Taty am-pita, ny Radio Echos du Capricorne no efa namoaka ny diam-peniny. An-koatra izany, fiangonana sy sekoly maro koa no efa notetezany ka nanehoany ny talentany niampy ny kianja 13 Mey tamin'ny tolona niarahany tamin'ny vahoaka tamin'ny 1991. Taty Paris dia efa niakatra an-tsehatra im-betsaka tao amin'ny FIAP niaraka tamin'ny UPEM -HAVATSA FRANTSA.
Izy dia Mpikambana ao amin'ny OMDA ; mpikambana ny Faribolana SANDRATRA ( 1991- 2001) taloha ; Mpikambana ao amin'ny Havatsa ary isan'ireo folo mianadahy nanangana ny UPEM HAVATSA FRANTSA tamin'ny 2005 no sady Filoha lefitra ihany koa. Izay fotsiny no azo ambara momba an'i Fredy JAOFERA hatramin'izao. Misaotra, tompoko.



RAKOTOMALALA Eric
 
De son vrai nom, RAKOTOMALALA Eric Fredy Jaofera est né à Antananarivo à Madagascar le 30 Avril  1962. Fils des époux Rakotomalala Eugène Louis et Rajaofera Elise.
C'est un descendant de la famille Rainizafimanga.
Passionné par la poésie, dès son plus jeune âge, il aima déjà écrire et avait une source d'inspiration inépuisable, Fredy JAOFERA débute à 12 ans en écrivant dans le Parcs et Ateliers des Travaux Publics à Alarobia Amboniloha, il continue à écrire jusqu’à maintenant en France.
Marié à Razafindrakoto Veromanitra, trois enfants, en 1992, plus que jamais décidé à se faire connaître poétiquement, Fredy JAOFERA adhéra l’Union des Poètes et Erivains Malgaches (U.P.E.M)...
Fredy JAOFERA (petit fils du poète Fredy Rajaofera) est un poète lyrique par excellence ainsi que le poète de l’amour.
Fredy JAOFERA aime le jeu d’échec.



©2007 Freewebs

Make a free website at Freewebs.com