RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

TSY MANINONA  - J'ACCEPTE   

TSY MANINONA

Dia hozakaiko eny, ary tsy ampiako teny
Sahinao hitompoina fa ny hadisoana
Ny foko tereko, ny vavako fefeko
Haiko ihany ny hangina ry olon-tiana

Hoy ianao, tsy vazivazy
mendrika ahy ny sazy
Ny amintsika aoka ho foana
fa ahy ny hadisoana

Na mahatsiaro mijaly
Eny ninia tsy hamaly

Ny endrikao hajaiko ry lalaiko


Fa raha any andro iray
hahatsapanao indray
fa tsy tamiko foana ny hadisoana
Izaho hanankery hilaza tsy an-drery fa
hilaza ho ahy irery ny hadisoana

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à


Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr