RAHA NY ZAZA
(Guitare solo)
Raha ny zaza é é é é
(Guitares unissons) Ny zaza miaina amin'ny fialonana
Fankahalana tsy hay saronana
(Guitare solo) Raha ny zaza é é é é
(Guitares unissons) Ny zaza voataiza amin'ny fanakianana
Fanaratsiana no ataony fananana
Fa ny ankizy izay niaina
Tao anatin'ny sitraka
Azo inoana fa any aoriana
Fa tsy ho tia fitapitaka
ô ô ô Manjaka amin'ny zaza ny fahamarinana
Rehefa lehibe izy, tsy ho sahirana (bis)
(Reprendre depuis début)
(Musique guitare intermède)
(Guitare solo) Raha ny zaza é é é é
(Guitares unissons) Ny zaza mihanta sy be angoty
Mitoreo foana izy fa tsy voky
(Guitare solo) Raha ny zaza ô ô ô ô
(Guitares unissons) Ny zaza miaina aman-tahotra
Tsy hahatoky tena fa hiahotrahotra
Fa ny ankizy izay miaina amin'ny fahendrena
Tsy ho sarotra ho azy ny ho tody
Amin'ny zava-kendrena
ô ô ô Tanora mazoto, tsy be fitarainana
Tsiky no hasetriny ny onjam-piainana
Rambaotiana Etienne dit Bouboul
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)
Nombreux sujets culturels sur Madagascar
RETOUR à
"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne
Webmestre Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr