RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

MANDALO -  TOUT PASSE

MANDALO

Kanto ireto voninkazo
Mamelatra ao an-jaridaina
Nony hariva, nilofika nalazo
Noesirina fa efa maina

Refrain Lasa niserana tokoa
Tsy misy mitoetra
Fa mandalo avokoa
Zava-drehetra
Refrain bis La la la la . . . . .

***

Bika sy hatanorana
Tarehy soa aman'endrika
Tsy misy mijanona, tsy voatana
Misosa sy ho rendrika

Refr. - Refr. bis (la la la ...)

***

Fifaliana mahafinaritra
Ho ritra, tsy haharitra
Ny fahoriana, ny sento, ny alahelo
Tsy misy ho mandrakizay

Refr. - Refr. bis (la la la...)

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à

Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr