MANDALO
Kanto ireto voninkazo
Mamelatra ao an-jaridaina
Nony hariva, nilofika nalazo
Noesirina fa efa maina
Refrain Lasa niserana tokoa
Tsy misy mitoetra
Fa mandalo avokoa
Zava-drehetra
Refrain bis La la la la . . . . .
***
Bika sy hatanorana
Tarehy soa aman'endrika
Tsy misy mijanona, tsy voatana
Misosa sy ho rendrika
Refr. - Refr. bis (la la la ...)
*** Rambaotiana Etienne dit Bouboul
Fifaliana mahafinaritra
Ho ritra, tsy haharitra
Ny fahoriana, ny sento, ny alahelo
Tsy misy ho mandrakizay
Refr. - Refr. bis (la la la...)
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)
Nombreux sujets culturels sur Madagascar
RETOUR à
"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne
Webmestre Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr