RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

JOJO LA MOTO

JOJO LA MOTO

Angano angano arira, kivazivazy an-kira
Atolotro anao izay mihaino ahy izao.


"Teuf teuf teuf.... vroummm - moto anie izany é"
Zazalahy iray, mpianatra izy izay
Ny anarany dia Jojo, mpitaingina moto
Là là là ......

Azy ny tànana, miriotra izy tsy tàna
Toerana atsy sy eroa, tongany avokoa. "Teuf teuf teuf"
Na lavitra izy any, dia fantatra avy hatrany
Ny fitefoky ny moto, moto-an'i Jojo
Là là là .....

Anaovany ny satro-by yy-y-y-yyy , dia jejojejo ery yy-y-y-yyy
Izaho koa mba nidonaka, amin'ny paozin'ilay àka
"Teuf teuf teuf.... vroummm"
Lalovany ny hôpitaly, tsy faly ny marary
Amin'ny fitatatatan'ny moto, moto-an'i Jojo
Là là là......

Miseho izy ho sahisahy, amin'ny namany tovolahy
Miseho izy ho tena favy, amin'ny namany tovovavy
"Teuf teuf teuf.... vroummm"
Miseho ho kinga bé-éé-é-é- ééé, eny amin'ny arabe éé-é-é-ééé
Mitsofotsofoka hatrany, exhibition hono izany
Là là là.....

Indray andro izay, niseho izy hoe mahay
Nisasasasa be, kanjo... any an-kady re
" T... e...e..u....f t..e.u..f f t... t ...t..eu..u..uf. "
Oh, nampalahelo Jojo sy ny moto-any"

Ny milingilingy ihany, no potraka eto an-tany
Marina izany ô ô ! hoy i Jojo sy ny moto
Là là là....

"Jôjô ? nankaiza ny moto ? (ha ha ha)

Hay vé ô ! (ha ha ha), hay nosoloina vélo ! (ha ha ha)"

Jojo la moto.

 

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à

Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr