RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

INOAKO  - J'AI FOI EN ... L'AMOUR  !

INOAKO

1 - Ny lanitra mikombona

Feno rahona mitatao

Ny tontolo no manjombona

Oram-baratra mitraho

Malomaloka ny tany

Ny masoandro ve no lany ?

Hazavana, hafanana

Na maizina aza ny andro

Inoako ilay Fitiavana

 

2 – Hazo kanto mijoala

Siokam-borona mivazo

Loharano anaty ala

Lokomevam-boninkazo

Ny tontolo ve no vao ?

Sa ny tenako eto izao

Variana sondriana

Na tsy miloa-peo

Inoako ilay Fitiavana

 

3- Maso no mifampijery

Endrika mifampimbazina

Tsiky miaro hehy kely

Sary iray tsara tandrina

Ny foko dibok’ hafaliana

Ny molotro mangina

Moana fa nahoana ?

Eny na tsy tazana…

Inoako ny Fitiavana

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à

Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr