RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

ANDAO INDRAY HOVANGIANA -   SOUVENONS-NOUS

ANDAO INDRAY HOVANGIANA

Andao indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao, natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Tsy nampaninona antsika akory
Ny fanala sy hatsiaka
Nanantena fa hanangoly
Ny tsirim-pitiavantsika

Ando indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao,natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Sangisangy sy ny kalokalo
Tantara niaraha-nandre
Nampitodika ireo mpandalo
Moa tadidinao ve ?

Teo nanaovantsika dina
Ny voady sy toky mamy
Ka na sento na hafaliana
Niarahantsika hatrany

Raha iny tsy tafaray
Ny amiko sy anao
...

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à

http://www.helis-madagascar.info

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr