RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

NY FIANGONANAY - NOTRE EGLISE  

NY FIANGONANAY

Mijoro an-tampon-kavoana
indro fa tazako indray
toerana tsy hay hadinoina
misy ny fiangonanay
injay reko ao ihany
ny lakolosy fahiny
ny feony manako hatrany
mandraka androany

(hum hum hum.....)

Tsiahy no indro tsy tana
hahatsiarovako ny fahazazana
fony izahay mbola kely
mihira ny andro noely
mba aiza tokoa ary izao
ireo ankizy niara-nilalao
mirakitra zavatra ho ahy
ny mijery ny fiangonanay

( hum hum hum.....)

Ny andro izay hifaliako
sy hitantanako ilay olon-tiako
tso-dranon'ny mariazinay
ao amin'ny fiangonanay
raha tonga ny ora fodiako
hangatahako, firariako
hilanjana ny vatako indray
handalo ny fiangonanay

(ding dong ding dong ........)

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à


Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr