RAMBOATIANA Etienne "Bouboul" 1930 - 2007

MADAGASIKARA: mpampianatra gitara, poeta malagasy - Madagascar: guitariste, poete, auteur-compositeur, chef d'orchestre, concertiste

AVELAO AHO -  LAISSE-MOI

AVELAO AHO

(Guitare solo)

Hita izao ny fitiavantsika
fa niova, niova nangatsiaka
Tsy nampoiziko fa hifarana ny hasambarana

Ilay dina fahizay, mety hadino
mety hadino hoy aho
Lanjaiko irery ny tsiny
Faniriana diso ny ahy iny
Zary an-tendro-molotra avokoa
ireo toky mamy taloha
Avelao aho raha tsy tiana

F'aza hampitomaniana
Là là là ........

Ny sisa tavela ato anaty
dia ho rariny, ho rariny ve
raha mirehitra tsy mbola maty valiana, fara hery

Te hanatona aho fa ny foko
Fa hampiseho fitiavako
Kanefa ianao nanodi-doha
Te handositra ny tavako, ouh ouh ouh
Eny tsy valiana, tsy valiako ary
ireo teny maharary
Avelao aho raha tsy tiana

F'aza ampitomaniana
Là là là ...

Rambaotiana Etienne dit Bouboul

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)

 

Nombreux sujets culturels sur Madagascar

RETOUR à

Hebergeur d'images


http://helismadagascar.blogspot.com/

 

"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne

Webmestre Olga HELISOA  Contact olga.helisoa@orange.fr