ADINONONY AHO ANGAMBA
Hatrin' ny ela no injany reko any ho any
Ilay bitsika toloko mikiky ny ato am-poko
Tamin'ny ora fisarahana, efa nifanarahana (là là là...)
Fa hoe ny fitiavana, tsy hilentika raha mifanoratra matetika
Moa azonao an-tsaina ve sombinaina
Fa ny sora-tananao no tsy mampanjary izao
(là là là...)
Misosa hatrany ny fotoana, niherina ny taona
Niova angaha ny fony tsy nahasoratra intsony (ouh ouh ouh...)
Feno alahelo ny tontolo, manahy aho ny ho voasolo
Ny sento no alefa any ho any fa angamba hadinony aho izany
Indraindray dia voatery izaho samirery
Ao an'eritreritro aho fa tena hadinonao (là là là...)
Hampanginiko ve izany ireo tsiky omaly
Hiondrika hitomany aho fa tsy afaka mamaly (ouh ouh ouh...)
Ho vitako va ny hangina, haharitra hafiriana
Ny fijalian'ny fitiavako, ny fitiavako anao
Ireo vetsoko eny ho eny sisa toa miteny
Mino, hanofy, hatory fa tsy hadinonao akory
(là là là...)
Rambaotiana Etienne dit Bouboul
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D'OR)
Nombreux sujets culturels sur Madagascar
RETOUR à
"Ataovy izay handinganana ahy fa andry no napetrako – Faites tout pour me surpasser: j’ai posé les piliers" de Ramboatiana Etienne
Webmestre Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr