ANTSIVA - Femme Malgache

Pasteure - Enseignante et Ecrivain - Mpitandrina - Mpampianatra sy Mpanoratra

Ô RY LITERATIORA !
(VETSO MANOLOANA

NY FAHA-150 TAONAN'NY

LITERATIORA MALAGASY)


Ô ry literatiora vahatr'ain'ny fahatsiarovana,
Mitahiry ny andro lasa sy ny ankehitriny ka arovana,
Satry hanakorisa penina sy hamadibadika takila,
Fa aminao ny voatahiry dia tsy mitsingilahila !

Taona maro izay no lasa, ianao tsy nitakemotra
Fa nandroso hatrany hatrany ary tsy niova fenitra
Fa nijanona ho fitaovana eo an-tanan'ny mpanoratra,
Hery ho an'ny firenena, raha ratraina mety hanolatra.

Ny angady tsara tefy rehefa tena ampiasaina
Tsy mandiso fanantenana ka maharavo fo sy saina.
Dingan-dava izao no vita, maro ny ezaka natao
Hahatongavanao indrindra amin'izao endrikao izao.

Ry literatiora ô, satry ianao hitombo vahana
Ka hamelana, hamololona, haneho ny tena fahafahana,
Hampitrebona ihany koa talenta maro mbola miafina,
Kintana tokony hanjopiaka nefa tsy hita hotarafina !

Antsiva, Frantsa, may 2004

 

Hommages à la Littérature ...Malgache aussi !

ANDRONAO ANIO RY TENY !
(NOANTSAINA TAMIN'NY

ANDRON'NY TENY TAO NANTES

BOUFFAY, 17 JONA 2000)

Ô ry Teny
Nanononako ny Neny,
Renesiko ombieny ombieny,
Nianarako nibada,
Nanononako ny Dada,
Satry hatrany ianao ho heno
Fa toy ny feon-java-maneno,
Teny mamy sady tiana,
Fampiasan'ny fianakaviana,
Manintona sy mahaliana,
Fa toy ny rano mikoriana !
Firifiry ireo maniry
Ka milofo sy mikiry
Hampiasa anao ombieny ?
Andronao anio ry Teny !
Koa topazo maso ange :
He vahoaka marobe
No mahatsapa ny sandanao
Ka samy vonona haneho
Ny maha izy azy izy ireo !
Avy amin'ny firenena maro
No miara-dia sy mifangaro,
Ka mifanao fotoana
Etoana ho fanehoana
Sy ho fanandratana ny Teny
Na avy aiza na avy aiza izy ireny.

Antsiva, Bouffay, 17 jona 2000





RY TENIN-DRAZAKO !

Eny ho'aho, ry Tenin-drazako, Lova soa sarobidy,
Filazako ny ato am-poko, tsy atakalo, tsy amidy.
Manan-kery hampahery raha izaho manirery,
Ampy hanala sorisory raha sendra tsy mahita tory !
Raha vao nianatra nibada aho ka mbola niradarada,
Ianao no nampiasaiko nanononana ny "Dada".
Tena mamy anie izany e ! Teny kanto sady soa,
Koa isaorako ianao nanononako ny "Neny" koa.
Taona maro izay no lasa, nefa Ianao tsy mety lefy
Fa fitaovana mahomby, toy ny angady tsara tefy.
Kanto, eny, tena kanto. Harena ho an'ny firenena.
Soa ho an'ny taranaka, ambony noho ny volamena.
Teny tsy afaka ao am-po, koa na mandeha na mitoetra
Teny azo ilazana ny tian-kambara rehetra rehetra ;
Teny maha-saro-piaro,... lalaina ka tiako harovana
Isan'andro amin'ny tafiotra sy ny karazam-pahalovana.
Tsy teny maty ianao fa velona. Teny mivoatra ihany koa.
Tsy diso anao ny toetr'andro. Vatofantsika ao am-po
Eny, ny maha-Ianao Anao tsy nanombinana tsy akory
Fa vao mainka misongadina ka tsy toy ny ombibory.
Maro ihany ireo fiteny eto amin'izao tontolo izao,
Sakamalao sy havozo, nefa mbola hafa ianao.

Antsiva, Frantsa, 29 martsa 2003


REGARDS CROISÉS
A L'OCCASION DU 150E ANNIVERSAIRE

DE LA LITTÉRATURE MALGACHE


Et voilà que l'espace et le temps
Se donnent rendez-vous, un moment
Inoubliable où chaque instant
Est magique, une journée qui en vaut cent !

Et voilà que des souvenirs intenses
Emergent des cent cinquante ans d'existence !
La malle au trésor est en train de s'ouvrir,
Et, d'emblée, surgissent les images et le rire.

Et voilà que continue la journée, le temps
De croiser les regards, un temps d'émerveillement
Mais aussi, une occasion de se ressourcer,
De s'abreuver de cette oasis du temps passé.

Antsiva, France, mai 2004



TABIHA

 

Sambatra sy tretrika ny manana Tabiha,
Sambatra ry lahy !
Fanova sy Faneva ka mova tsy valiha
Manandratra Fanahy.

Ny Tabiha no rehareha, toky sady fifaliana,
Voninahitra ihany koa.
Raha saraka azy ny Tontolo, zary foana, tsy zoviana,
Ary toy ny tapa-doha.

Ny Tabiha sy Rehareha, Fahazavana sy Fanilo,
Mahatsangy ny ho àry.
Mitandrema ihany anefa, be ny Fandrika sy Tsilo
Ary ny Tsimparifary.

Antsiva, 2 mai 2003

 

Renseignements sur LES LIVRES DE ANTSIVA, CONTACT au i_vetso@yahoo.fr


Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)

Pour nombreux sujets culturels sur Madagascar

Retour à

ENSEIGNEMENT de LANGUE MALGACHE



http://rahelys.unblog.fr


 

 

ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR

Membre de l’Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM)- Section France

Membre Association des auteurs indépendants

 

Webmestre: Olga HELISOA