Ô ILE EMERGEANT AU MILIEU DE L'OCEAN !
Tu es loin de nous, mais aussi tout près
Car loin des yeux ne signifie pas toujours loin du coeur.
Ile émergeant au milieu de l'océan, héritage venant du Zanahary (Créateur).
Tu n'es ni objet d'échange, ni à vendre, et quand tu as un malaise, nous le ressentons aussi.
Six mois durant, tu as enduré les souffrances.
Evénements douloureux, obscurité profonde.
Tu étais mise de côté, chavirée durement ;
Les ondes t'ont balançée, mais tu restais debout.
Ton coeur qui a été blessé, on l'entend encore battre et chanter :
"La justice, mais non les choses illicites ;
La sacralité ainsi que la transparence..."
Les sombres nuages couvrant l'Ile Rouge se sont dissipés.
Le monde entier perçoit la souveraineté nationale.
Un raphia prometteur..., héritage de toute la génération.
Antsiva, 03 avril 2003
Lavitra anay ianao kanefa akaiky ihany koa
Satria ny lavitry ny maso tsy hoe lavitry ny fo.
Nosintany anivon-driaka, Lova avy amin-Janahary,
Tsy atakalo, tsy amidy, tsaroan'ny aina raha marary.
Enim-bolan-garangidina izato ianao niari-pery,
Tolona tsy omby tratra, maizim-pito izay jinery
Dia natao ankilabao, nailakilaka aok'izany,
Natopatopan'onjan-drano nefa dia nijoro hatrany
Ilay fonao noratraina 'njao mbola mitepo, velon-kira,
Ny fahamarinana no ilaina fa tsy ny masirasira
Ny fahamasinana ihany koa ary ny mangarahara...
Nisava 'lay raho-mainty nanarona Ilay Nosy mena
Izao tontolo izao mitazana ny fiandrianam-pirenena
Foto-drofia mavamavana..., lovan-janaka amam-para.
Antsiva, Frantsa, jolay 2002
59 TAONA LASA IZAY !
29 MARTSA 1947 - 29 MARTSA 2006
Hono, ho'aho, ry Nenibe,
Azafady, etsy ange :
Mba lazao, tantarao
Raha azo atao izay fantatrao,
Ny zava-nisy sy nitranga,
Ny vagao tao Moramanga.
Aoka re, aoka re, rey anaka,
Izaho efa reraka sy hana ka
Mafy, tsy ho haiko ny hitantara
Mafy e, ry zanaka amam-para !
Liana izahay ry Nenibe,
Liana tokoa mba handre.
Tsy angano, zava-nisy,...
Tena nangidy, eny, indrisy !
Liana izahay ry Nenibe
Tena liana mba handre
Aoka re, aoka re, rey anaka,
Aza mangarom-biby an-davaka !
Tsy ho haiko ny hamohafoha
Mafy loatra ka tsy toha !
Fa mahafadiranovana ahy,
Mandratra saina, fo, fanahy.
Fa nahoana loatra re,
Nahoana angaha ry Nenibe
No tsy tianao hotantaraina
Nefa hoe namoizana aina ?
Tsy hoe tsy tiako hotantaraina,
Satriko e, ry sombin'ny aina !
Zonareo ny hahalala
Ny nanjo anay tanaty ala.
Tsy hohadinoina na oviana,
Nampitondra fahoriana...
Antsiva, Frantsa 29 martsa 2006
ARAHABA RE RY TANIKO ! Arahaba re ry taniko nahatratra ity Asaramanitra ! Arahaba re ry taniko izay efa niaritra ny mafy ! Ny Fahaleovantenam-pirenena manan-kasina, hajaina, Be ny asa mbola miandry ho fanarenam-pirenena. Fositra tsy mampandroso ny karazan-tandrametaka. Arahaba re ry taniko novangian'izato Asaramanitra ! Koa arahaba re ry taniko tsy diso ity Asaramanitra ! Antsiva, Frantsa, jona 2003
26 JONA 1960-26 JONA 2003
Ny fo midoboka hafaliana ka finaritra, salanitra.
Iaraha-miravo anio ny fahaleovantenam-pirenena
Soa ho an'ny taranaka, ambony noho ny volamena.
Hahatsiaro izany hatrany irony zanaka aman-jafy.
Ny mazava he miposaka noho ity androm-pahafahana
Efa navalon'ny fotoana raha ny vahohom-panjanahana.
Fanala haizin'ny tantara sy mitondra ny maraina.
He jereo fa mibaliaka ny fanantenan'ny Malagasy
Nahazo ny fahafahana, ka iza indray no hilasilasy ?
Mitaky adidy sy andraikitra izany hoe fahaleovantena
Tsy miankin-doha intsony fa efa vonona dia vonona
Hiasa ho fampandrosoana ny fiainam-piaraha-monina.
Ny fahaleovantenam-pirenena tsy vitan'ny hetaketaka.
Ny fiaraha-mientan'ny rehetra no hitondra fivoarana
Hirosoana hatrany hatrany amin'ny làlam-pahasambarana.
Hirotsaka aminao anie ny andon'ny tany sy ny lanitra !
Dia mba ho lasan'izay ny andro matroka, nanjombona,
Fa hanoakoako kosa ny feon'anjomara sy ny anjombona !
Ny fahafahanao anie hamololona, hitondra hanitra
Ho an'izao tontolo izao hanjariany ho fitahiana
Ka hanafaka ihany koa izay mbola anaty fijaliana !
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)
Pour de nombreux sujets culturels sur Madagascar RETOUR à
HELI'S MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info
ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR
Membre Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) France
Webmestre: Olga HELISOA
REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR Edition www.copyrightdepot.com #00040636
Make a free website at Freewebs.com