ENCORE...
EncoreAntsiva, France, juillet 2005
O ESPERANCE !
Espérance, ô Espérance,
Veuille éclairer notre existence,
Tellement glissante et éprouvante,
Qu'elle nous est très harassante !
Espérance..., l'existence
Est mi-figue, mi-raisin, on le pense,
Beaucoup d'efforts à fournir,
Scintillerait-elle à l'avenir ?
Espérance, ô Espérance,
Tu es à la fois refuge et brillance
Répandant la joie dans l'air !
Espérance, tout l'avenir,
Si t'es là, apportera le sourire
Bien qu'encore un mystère.
Antsiva, 15 mars 2004
VERSION MALGACHE
RY FANANTENANA Ô !
Ry Fanantenana ô, ry Fanantenana,
Tsilovy, tsilovy ny làlan-kombana,
Fa malia dia malia sy be fitsapana ;
Ny aina efa reraka sy hana dia hana !
Ry Fanantenana ô, ny fiainana an-tany
Tsy main-tsy lena, fantatra izany,
Ka mila herimpo isan'andro mihiratra !
Any aoriana angamba mbola hamiratra ?
Ry Fanantenana ô, ry Fanantenana,
Ianao sady toky no fahazavana
Ka mitondra hery.
Ry Fanantenana ô, ny ho avy rehetra,
Dia mahavelom-bolo raha ianao no mitoetra
Na dia mbola misitery.
Antsiva, mars 2004
SAMBATRA AHO
JE SUIS HEUREUX ...
(d'être encore en vie !)
FIOMBONANA AINA AMIN'NY VELONA REHETRA (19/09/05)
Sambatra aho raha toa ny masoandro mibaliaka
Ho an'ny isam-baravarana ka tsy misy very anjara
Sy mitondra hafanana tsy mandoro ho antsika
Velona miara-mihira, ahazoana aina tsara.
Sambatra aho raha tahiny ka ireo kintana alin-kisa
Manazava hatrany ny alina sy mitsilo koa ny dia
Ka hisoroka isan'andro ny lomotra sy disadisa
Mampiverina ilalana, ny onjan-drano anie maria !
Sambatra aho raha toa jerena akaiky ireo voagadra
Ka omena fahafahana rehefa miova fo tokoa
Karohina ny balisama fanefitry ny dradradradra
Tsy manao tany avo avaratra. Miezaka hifanasoa.
Sambatra aho raha foana ny karazan-tsindrihazolena
Famoretana sy voina, fahavalom-pahasambarana
Tsy hisy intsony romoromo, foana ny fitiavan-tena,
Fahavelomana vaovao no ho an'ny isam-baravarana.
Antsiva, Frantsa, 31 aogositra 2005
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)
Pour de nombreux
sujets culturels sur MadagascarHELI’S
MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info
ANTSIVA, Vehivavy Malagasy - Femme Malgache - MADAGASCAR
Mise en ligne 09/02/07 - Webmestre: Olga HELISOA
REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR Edition www.copyrightdepot.com #00040636
Make a free website at Freewebs.com