Your Logo Here

ANTSIVA - Vehivavy Malagasy - Femme Malgache - MADAGASCAR
Mpitandrina - Mpampianatra sy Mpanoratra - Pasteure - Enseignante et Ecrivain Membre Havatsa-UPEM France - Membre Association des auteurs indépendants


ANTSIVA | Lire le Malgache | Les voies de l'Eternel | Anatirova - Le Palais | O Ile - Ry Nosintany | Big Ben | Morts Vies Espoirs | Mary Jones | O Littérature ! | Au-dela des Mers | Jours et Ans | Jours heureux | La nature malade | Cris S.O.S. - Kiaka | La Famille | Hainteny | DINITRA Rado | Nos Liens/Links | Nous/Us/Momba anay | Guestbook
La Planète n'en peut plus ! ...

'NJAO NY TANY MITARAINA
VOILÀ GÉMIR LA TERRE


Tamin'ilay mamatonalina, 'njao ny tany mitaraina.
Sento avy amin'ny fara lalina miandrandra ilay maraina.
Tsato-defona mavany no natrabaka ny fony.
Ory izy, toran-tany, toa hila tsy hahatraka intsony.
Tamin'ilay mamatonalina, 'njao ny tany fa mitroatra.
Troatra avy amin'ny fara lalina, izay mandoro sy mandroatra.

Antsiva, Frantsa, martsa 2002

 

VERSION FRANCAISE

Au milieu de la nuit, voilà gémir la terre.
Des soupirs surgissant de la profondeur attendant l'aurore.
Des sagaies sans vergogne ont criblé son coeur.
Elle était affligée, pleurait à chaudes larmes comme si elle n'arrivait plus à se ressaisir.
Au milieu de la nuit, voilà s'enflammer la terre,
Une incandescence venant du fond du gouffre, à la fois brûlante et effervescente.

Antsiva, France, mars 2002


MARARY IZAO TONTOLO IZAO

Marary izao tontolo izao
Miandra fiainana vaovao,
Midridridridry mahonena
Fa maradratra sy ferena.

Efa hatramin'ny ovian-tany
No nitolokoany toa izany !
Ny raho-mainty tsy misava
Ka miandra vonjy lalandava.

'Njao ny fony fa miontana !
Rahon'ady sy korontana
No mitambatra ho disadisa
Ka toa ho nofy izany paradisa.

Angamba indray andro any
Hiova ho tsiky ny tomany,
Ny dridridridry tsy hisy intsony,
Ho faly, ho ravo izany fony.

Antsiva, Frantsa, jona 2003


HANA E NY NATIORA !
FIOMBONANA AINA AMIN'NY NATIORA

Ry rivotra mitsoka tsy fanta-piaviana,
Hana e ny natiora fa vesaram-pahoriana !
Jereo ange : ny sahobakàka ambody riana
Aza toa mitaraina hoe : "mandra-pahoviana ?"

He ny kiakiakan-tany noho ny doro tanety !
Ireo rava-namikirany dia nafoiny vetivety.
Mba te hanavotra aina ireo biby anaty ala :
Atody miady amam-bato, rifatra, mivoajamala.

Fa mavany tokoa izato endri-kasomparana.
Ny mpamono afo efa tsy mitandro hasasarana
Nefa mbola misy foana. Rahoviana no hifarana ?

Mangentana ny tany. Mba aiza koa re Raorana
Fa makiana izany ravina ? Ny fo mangorangorana
Mahita ny zava-boaary te hiano-pahasambarana.

Antsiva, août 2005

 

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)

Renseignements sur LES LIVRES DE ANTSIVA, CONTACT au i_vetso@yahoo.fr

Pour de nombreux sujets culturels sur Madagascar RETOUR  à

HELI'S MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info

 

 

ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR

Membre de Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) France

Webmestre: Olga HELISOA



REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR  Edition  www.copyrightdepot.com #00040636 


Make a free website at Freewebs.com