Your Logo Here

ANTSIVA - Vehivavy Malagasy - Femme Malgache - MADAGASCAR
Mpitandrina - Mpampianatra sy Mpanoratra - Pasteure - Enseignante et Ecrivain Membre Havatsa-UPEM France - Membre Association des auteurs indépendants


ANTSIVA | Lire le Malgache | Les voies de l'Eternel | Anatirova - Le Palais | O Ile - Ry Nosintany | Big Ben | Morts Vies Espoirs | Mary Jones | O Littérature ! | Au-dela des Mers | Jours et Ans | Jours heureux | La nature malade | Cris S.O.S. - Kiaka | La Famille | Hainteny | Fiombonam-po - Hommages | Nos Liens/Links | Nous/Us/Momba anay | Guestbook
Papa, Maman, Frères et Soeurs - le RESPECT, les Joies et Peines...

I DADA SY NENY

I Dada sy Neny dia samy hajaina,
Masoandro amam-bolana, tena lalaina,
Angady nananana sy vy nahitana
Toky sy ampinga, fihantahantana.

Toky sy ampinga fihantahantana
'Reo ray aman-dreny, ka satry mazàna
Hitoetra eo anilany amin'ny andro rehetra
Satria ny fiainana toa feno herisetra.

Satria ny fiainana toa feno herisetra
Dia i Dada sy Neny no tiana hitoetra.
Ireo no mpiaro raha misy manjo,
Ny saina mifendro tsy aminy koa.

Ny saina mifendro tsy aminy koa
Ka satriny ihany hizara ny soa,
Milofo, mamelona sady mananatra,
Na dia mavomavo dia tena filamatra.

 Antsiva, mai 2003


TSIARO

I Dada malala no tsarotsaroana
Raha sendra ka tojo fisentosentoana :
Mpitondra hafaliana sy tsiky isan'andro,
Mamao-dranomaso izay mihandrohandro.

Izany izy miverina avy niantsena !...
Mifaly ny fo mamonjy mitsena,
Matoky sy mino ary koa manantena
Fa ny ho be ao an-karona dia mofo sy hena.

Antsiva, avril 2003


ETSY BABEKO

(Viens que je te porte sur le dos)

 

Etsy babeko razandry malala.

Etsy babeko, aza misalasala.

Fiakara-mideza no hanihintsika,

Ny andro manorana sy mangatsiaka.

 

Etsy babeko razandry malala.

Etsy babeko fa isika hiala

Amin'ny làlan-kizo izay ety dia ety

Tsy ahafaha-mandroso ka tena tsy mety.

 

Etsy babeko razandry malala.

Etsy babeko, aza misalasala.

Hiaraka isika, izaho tsy hanary ;

Izaho sy ianao dia toy ny rano sy vary.

 

Etsy babeko razandry malala

Etsy babeko, fa kirihitr'ala

No hovakivakina hihoarana bonga.

Roso ny dia fa tsy maintsy ho tonga.

Antsiva, 28 décembre 2003


IZANDRY

Rehefa lasa i Neny ka Izandry mbola kely,
Ny alaheloko azy tsy hita velively.
Jereo izato izy kamboty mahonena,
Tsy afaka hikomy, ny kibo no tonena.

Rehefa lasa i Neny ka Izandry mbola kely,
Ny Zoky no fitaratra sy tokony ho modely.
Ontsa ery mijery an'i Izandry miari-pery !
Nongotana amin'ny tany Ilay Reny mpampahery.

Izandry tena tiana, masoandrom-pifaliana,
Mitondra hery vao, tsy hohadinoina na oviana,
Mandretsika ny tena hitolona tsy hiato,
Hamboly sy hanangana, hanorin-tsangambato.

Rehefa lasa i Neny ka Izandry no jerena,
Mipoaka ny masoandro, mivolom-bolamena.
Ny haizin'ny fiainana manidina, tsy hita...
Hipaika izany ora, ny zandriko ho tafita !

 

Antsiva, mai 2003


RANOMODY
AZA MITSIPA-DOHA LAKA-NITANA

Fa dia azon-dozan'inona
No ataonao tsinontsinona
Ireo sinibe manga roa,
Sa ny loha no efa voa ?

Fa raha ny lakana nitana
No atositosika, dakana,
Mbola handatsa sy hanody,
Sa dia efa tsy mataho-tody ?

Na matanjaka izy na mavozo,
Na hoe koa mangozohozo,
Andrianina ary koa lalaina,
Fa tsy ailikilika sy tevaina.

Malama maina anie ny tany
Koa aza mandrora mitsilany !
Ny ratsy atao toa ranomody
Ka mety hifotitra sy hanody.

Antsiva, juin 2005


FETE DES MERES, DES PERES - L'AMOUR FILIAL - NOSTALGIE DU PAYS

DU FIRMAMENT DU SOUVENIR

(A L'OCCASION DE LA FÊTE DES MÈRES - 06 JUIN 2004)

Du firmament du souvenir, le voile
Se soulève et voilà que défilent les feux
Du bonheur servant de texture à la toile
Faisant de nous des enfants heureux.

Contre vents et marées, tu ne baissais
Pas les bras. La pente, tu remontais
Malgré les épines qui ne se lassaient
Pas de te décourager, qu'il pleuvait ou ventait.

Je remercie le Ciel de nous t'avoir donnée.
Le soleil brillait partout où tu étais ;
Mais voilà qu'au tournant, la destinée
Nous sépara. Que dire ? Le sort en est jeté.

Malgré ton absence, tu es toujours présente,
Une présence invisible, mais prenante et prégnante.
Ton passage ici-bas, ô regrettée mère aimante,
N'aurait pas été vain mais a laissé des empreintes.

Antsiva, France, 06 juin 2004



ARAHABA RE RY RAY !

(FETIN'NY RAY - FETE DES PERES 2003)

Arahaba re ry ray
Nahatratra ity fetinao indray
Andro feno fifaliana
Anoloram-pirariana !

Mangamanga ery ny lanitra
Isika rehetra dia salanitra
Noho ity androm-pitahiana
Fetin'ny raim-pianakaviana.

Koa faly, ravo koa izahay
Noho ity fetinao ry ray
Ka misaotra ny Mpahary,
Mpandahatra, Mpandavorary.

Koa tsodrano no atao
Enga ho ela velona ianao !
Eny, ny fiainanao anie
Mbola hanatombo be dia be !

Antsiva, Melun 15 jona 2003



MAMY NY ZANAKA

(La progéniture est douce)

Mamy ny zanaka
Ireo no taranaka
Sombin'ny aina
Ka tena lalaina.

Mamy ny zanaka
Ka na dia efa lanaka
Tsy kivy, tsy ketraka
Noho Ikoto sy Iketaka.

Mamy ny zanaka.
Ireo no taranaka
Ka ampiana sy tohanana
Andaniana koa fananana.

Mamy ny zanaka
Ka na efa lanaka
Dia mbola mitsiky
Sy mivikiviky.

Antsiva, 31 décembre 2003



ANY IZAY NY ANY AN-TANÀNA !
Nostalgie: Là-bas sout ceux du pays !

Na aiza tany misy ahy
Lasa hatrany ny tsiahy
Izany embona tsy tana :
"Any izay ny any an-tanàna" !

Mametsovetso eo ny fo,
Fo emboka ihany moa
Ka ny lanitra banjinina
No mova tsy ny sekirinina.

Eo ny elanelan-tany
Ny eritreritra no mankany
Ny fo no lasam-binany
Fa izaho kosa eto ihany.

Na aiza tany misy ahy
Lasa hatrany ny tsiahy
Izany embona tsy tana :
"Any izay ny any an-tanàna" !

Antsiva, Frantsa, desambra 1980


 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)

Pour de nombreux sujets culturels sur Madagascar RETOUR à

HELI’S MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info

 

ANTSIVA, Vehivavy Malagasy – Femme Malgache - Madagascar

Membre Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Havatsa-UPEM France

Mise en ligne 09/02/07 - Webmestre: Olga HELISOA



REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR  Edition  www.copyrightdepot.com #00040636 


Make a free website at Freewebs.com