Your Logo Here

ANTSIVA - Vehivavy Malagasy - Femme Malgache - MADAGASCAR
Mpitandrina - Mpampianatra sy Mpanoratra - Pasteure - Enseignante et Ecrivain Membre Havatsa-UPEM France - Membre Association des auteurs indépendants


ANTSIVA | Lire le Malgache | Les voies de l'Eternel | Anatirova - Le Palais | O Ile - Ry Nosintany | Big Ben | Morts Vies Espoirs | Mary Jones | O Littérature ! | Au-dela des Mers | Jours et Ans | Jours heureux | La nature malade | Cris S.O.S. - Kiaka | La Famille | Hainteny | DINITRA Rado | Nos Liens/Links | Nous/Us/Momba anay | Guestbook
NOUS ne sommes PAS MAITRES ...

DES JOURS...

NY AMPITSO DIA ANIO

Efa fantatrao ihany fa ny anio no antsika. Ny ampitso zava-miafina, tsy azo amboloina akory. Nefa isika dia antsoiny ho mpialoha làlana azy.

Tsy antsika ny ampitso, nefa isika dia entaniny tsy hiaina anaty nofy fa hamolavola sy hitrandraka ka hanome endrika azy mba tsy ho diso antsika ny fotoana, tsy ho banga antsika ny tantara.

Ny ampitso dia anio no tena fibanjinana azy. - Antsiva, Frantsa, janoary 2003

 

VERSION FRANCAISE

DEMAIN, C'EST AUJOURD'HUI

Comme vous le savez, c'est ce jour qui nous appartient. Demain, c'est un mystère. Il s'avère même impossible de le sentir. Pourtant, il nous appelle pour en être des pionniers.

Demain ne nous appartient pas, pourtant, il nous sollicite de ne pas nous immiscer dans un monde d'illusions mais de faire des projets et les étudier, de lui donner un visage afin que nous ne loupions pas le rendez-vous avec le temps, afin que nous ne rations pas le rendez-vous avec l'histoire.

Demain, c'est surtout aujourd'hui qu'il faut y penser. - Antsiva, 28 mars 2003


 

DES ANNEES ...

TAONA VAOVAO ?

Iriko dia iriko ianao
Ho tena TAONA VAOVAO
Ho an'izao tontolo izao
Marary aina anaty ao.

Antsiva - Frantsa, janoary 2006


 

TAONA 2006

Hafa kely ianao ry Taona,
Manan-tsanda tena miavaka,
Ka toa reko miraondraona
Ny antema sy hiram-bavaka.

Taona ho an'ny Fianakaviana
No anarana iantsoana anao
Irariana hanjary fitahiana
Ho an'izao àry rehetra izao.

 Antsiva - Frantsa, febroary 2006


 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)

 

Renseignements sur LES LIVRES DE ANTSIVA, CONTACT  i_vetso@yahoo.fr

Pour de nombreux sujets culturels sur Madagascar RETOUR à

HELI'S MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info

 

ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR

Membre de l’Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) France

Webmestre : Olga HELISOA



REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR  Edition  www.copyrightdepot.com #00040636 


Make a free website at Freewebs.com