Your Logo Here

ANTSIVA - Vehivavy Malagasy - Femme Malgache - MADAGASCAR
Mpitandrina - Mpampianatra sy Mpanoratra - Pasteure - Enseignante et Ecrivain Membre Havatsa-UPEM France - Membre Association des auteurs indépendants


ANTSIVA | Lire le Malgache | Les voies de l'Eternel | Anatirova - Le Palais | O Ile - Ry Nosintany | Big Ben | Morts Vies Espoirs | Mary Jones | O Littérature ! | Au-dela des Mers | Jours et Ans | Jours heureux | La nature malade | Cris S.O.S. - Kiaka | La Famille | Hainteny | Fiombonam-po - Hommages | Nos Liens/Links | Nous/Us/Momba anay | Guestbook
A toi qui crie "S.O.S." ...

AIZA IANAO ?

Any ho any
Misy tany
Mitomany
Aok'izany.

Tsy omby tratra
Raha ny ratra.
Miandry vonjy
Ka milonjy.

Manantena
Famonjena...
Aiza ianao ?
Mba lazao.

Voahosihosy
Izato Nosy,
Nefa kosa
Tsy kanosa.

Ny horohoro
Ho torotoro.
Ny herisetra
Manam-petra.

Aim-pirenena
No vonjena.
Ka aiza ianao ?
Mba lazao.

Antsiva, Frantsa, febroary 2002


TSY ALIKA SANATRIA...

Ilay noheveriny ho alika
Noho ny fitsarana ivelany
No nampakatra ny kiaka,
Ny fahoriany efa tserany !

Niantso vonjy, nitaraina,
Nanantena hatrany hatrany...
Avotra, tsy niala maina ;
Tsy fidiny ilay fahantrany.

Antsiva - Frantsa, 5 febroary 2006

 

Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)

Renseignements sur LES LIVRES DE ANTSIVA, CONTACT au i_vetso@yahoo.fr

Pour de nombreux sujets sur Madagascar RETOUR à

HELI'S MADAGASCAR http://www.helis-madagascar.info

 

ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR

Membre Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) France

Webmestre: Olga HELISOA



REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR  Edition  www.copyrightdepot.com #00040636 


Make a free website at Freewebs.com