
PHOTO HELI'S MADAGASCAR Copyright déposé
QUI EST ANTSIVA ?
Rasoamanarivo Solomampionona Marie-Angèle
, de son nom de plume ANTSIVA, est née à Ankadinandriana il y a 56 ans, d’une famille de 5 enfants. Son père était Pasteur dans cette localité.En 1966,
Rasoamanarivo sa mère meurt, elle n’avait que 15 ans !Elle a mené des Etudes de Lettres malgaches à l’Université d’Antananarivo et à Paris. Elles ont été couronnées en:
1997 - Doctorat en langues, littératures et civilisations - INALCO Paris
RAHARIJAONA est son nom de femme mariée.
1 - EXPERIENCES PROFESSIONNELLES
ANTSIVA a consacré sa vie à l'Enseignement de Lettres françaises et malgaches
1971 –1973
Ecole FJKM - Ambatolampy1974 – 1978
Ecole Normale Eglise Luthérienne Malgache - Fandriana1979 – 1980
Direction Ecole luthérienne Ambozontany - Fandriana
2 - DEBUTS LITTERAIRES
Publication de ses écrits dans les journaux sous le pseudonyme Antsivan'Ilampy
Amour pour l’écriture (en malgache et en français) révélé très tôt grâce à ses lectures abondantes
Lectures en langue malgache dans revues et journaux : Teny soa fanalana andro, Mpamafy, Mpamangy, Fanilo, Sakaizan'ny tanora...
Livres : Baiboly (bible), Anganon'ny Ntaolo, Ny Dian'ny Mpivahiny, Maritiora malagasy.
3 - MISSION PASTORALE
1980
Départ pour la France1987
Maîtrise en Théologie - Institut Protestant de Théologie, 83 boulevard Arago – Paris et Montpellier
4 - UNE GRANDE DAME MALGACHE
Connue aussi sous l’appellation de Pasteur Raharijaona ou Mamapasy, cette grande dame représente l’une des fiertés de Madagascar.Comme toutes les femmes, ANTSIVA a le temps de mener de front ses obligations de mère, d’épouse, d’aide-soignante, de pasteure et …d’écrivain.
Nous lui dédions ce website pour saluer sa force de caractère et son intelligence.
Merci à Pasteure RAHARIJAONA,
Merci à ANTSIVA,
Nous vous souhaitons encore de nombreuses années de mission auprès de nous ici-bàs ! – Olga HELISOA, RAMANATANTARA
**********
i ANTSIVA ?
tenin'i Dada : "milevina ila ka tsy lo aho anaka manana anao..."
Rasoamanarivo Solomampionona Marie-Angèle no tena anarako. Ankadinandriana no anaran'ny toerana nalatsahan'ny tavoniko roa amby dimampolo taona lasa izay. Roa amby dimampolo taona nefa toy ny vao omaly.
Nitondra fiangonana tany ny raiamandreniko tamin'izany fotoana izany. Dimy mianadahy izahay no zanaky Dada sy Neny ary izaho no faravavy. I Fara no fiantsoan'i Neny ahy fony kely. I Radigèle kosa no fiantsoan'i Dada ahy.
Na dia mpitondra fiangonana tany ambanivohitra aza i Dada sy Neny dia tsy nataony ambanin-javatra mihitsy ny fampianarana anay.
Dimy ambin'ny folo taona latsaka kely foana aho raha nodimandry i Neny Rasoamanarivo. Ny alarobia 05 janoary 1966 no nandaozany izao fiainana izao ka nanirinan'i Lalao, vavimatoa taminay ny masony. Namiratry ny hatsaran-tarehy ny salovan-tavan'i Neny ka loa-bolana i Dada niteny hoe : "tsy nampoiziko fa hay nanambady anjely aho". Toa sarotra tamiko ny hino fa tena maty tokoa i Neny. Fa ny anisan'ny nanohina ny foko indrindra dia ny fahitana ny fomba namatoran'ireo olona mpamono lamba azy. Nogiazany mafy ery. Ara-bakiteny tokoa ny hoe "fato-maty".
"Aoka re", hoy aho, "aoka re, rey olona, fa mampalahelo izy", sady nigogogogo mafy sy nisefosefo ery aho.
"Angaha izy mahatsiaro maharary intsony ry Gèle a", hoy dadatoa Rakotoarimanana rahalahin-draiko. Tsy maintsy afatotra mafy toa izao mba tsy higoragora ny lamba, izy tsy tia havadika rahateo".
Raharahan'olon-dehibe ny famonosan-damba ka saika havoakan-dry zareo mihitsy aho sao dia maninomaninona eo. Nanome toky aho fa tsy hitomany na hiantsoantso intsony. Nahagaga fa tsy nitomany na nahatomany intsony aho fa toy nisy hery nandritra ny ranomaso rehetra tao anatiko. Tamin'ny fanitrihana ny razana dia niditra tao anaty fasana koa aho ary teo vao tena tonga saina ny amin'ny fahakambotiako.
Nanambady an-dramatoa Rasoarinosy Berthe Emilie i Dada. I Mamakely no fiantsoanay azy. Niteraka fito mianadahy ry zareo ka feno roa ambin'ny folo ny isanay. Nifankatia sy nifankahazo am-po tokoa izahay rehetra. Tsy dia niara-nipetraka rahateo koa moa izahay satria teo amin'ny fahafolo taonako aho dia efa nampidirina tao amin'ny kilasimandrin-jazavavy MPF tao Ambatolampy izay nanjary FPM sy FJKM taty aoriana. Tsy nisy kilasy antonona ahy intsony mantsy tany Antambolo, paroasy niadidian'i Dada tamin'izany fotoana izany. Rehefa lasa mpampianatra aho taty aoriana dia mbola tao amin'io kilasimandry io ihany no nipetraka mandra-pifindrako toerana.
Tamin'ny taona 1980 dia niondrana nankaty Frantsa aho.
Rehefa navadibadiky ny andro sy ny alina teny ny volana sy ny taona dia niova ho Raharijaona no fiantsoana ahy. Ny antony dia satria nanan-tokantrano aho. Raharijaona Eugène no anaran'ny vadiko. Mbola nisy fiovana kely indray aza izany fiantsoana ahy izany satria nony lasa mpitandrina aho dia i pasitera Raharijaona na i Mamapasy no ahafantaran'ny maro ahy.
Sivy ambin'ny folo taona izao no naha-mpitandrina ahy taty Andafy. Tao amin'ny Institut Protestant de Théologie, 83 boulevard Arago ao Paris aho no nianatra. Nisy fiofanana natao koa tany Montpellier. Dimy taona no naharetan'ny fianarana ary dia nahazo ny Maîtrise en théologie aho tamin'ny 1987. Nandritra izany fotoam-pianarana izany dia sady nitondra fiangonana aho no nitaiza kely. Kiry no be. Rehefa eo ny finiavana sy ny fitiavana dia tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsy nandraisako fivelomana ny asa fitandremana. Tsy vita mora anefa ny fiainana. Eo koa ny fanampiana ny any an-tanindrazana ka tsy maintsy miasa aho. Toerana fitaizana antitra no iasako. Nisy fiofanana hafa nataoko koa noho izany. Dia nanjary aide-soignante aho. Tsy ambakan'ny asan'ny mpitandrina io asa io, minisitera iainana :
"Ianao no Josefanay", hoy Dada matetika fahavelony, (ny zandrinay iray anefa misy atao hoe Josefa) ary dia nanampy azy araka izay azo natao tokoa aho. Indrisy anefa fa tsy tana ny ain'i Dada tamin'ny 26 jona 1998 ! Kamboty fanindroany indray izahay.
Mpampianatra no asako fony mbola tany Madagasikara aho. Taranja malagasy sy frantsay no nankinina tamiko. Ireo rahateo no tena nanavanana ahy. Noho ny tsy fahampian'ny mpampianatra tao amin'ny sekoly misiona anefa dia nasaina nampianatra filôzofia koa aho taty aoriana ka voatery nampiana-tena isan'andro. Asa fanoloran-tena tokoa ny asa fampianarana tao amin'ny sekoly misiona tamin'izany. Manify dia manify raha ny fivelomana noraisina ka notahitahina sy notsitsitsitsina fatratra ery. Rehefa manan-kohanina dia izay fa tsy afaka hiangentsana hividy kiraro na akanjo toa ireo fonksionera. Efa notezaina tamin'ny fihafiana rahateo moa ny tena satria evanjelisitra tany ambanivohitra ny raiko. Ingahy Evanja no fiantsoan'ny olona azy. Niova ho Ingahy Pasy indray izany rehefa nitondra fiangonan-tokana izy taty aoriana.
Nampianatra tao amin'ny sekoly FJKM Ambatolampy aho nandritra ny taona 1971 ka hatramin'ny 1973. Antsivan'Ilampy no anarana indrana nentiko matetika rehefa manoratra an-gazety aho (ny teny hoe "Ilampy" moa dia avy amin'ny hoe Ambatolampy). Taorian'izay dia nampianatra tao amin'ny Sekoly normalin'ny fiangonana loterana malagasy tao Fandriana (1974-1978). Avy eo dia talen'ny Sekoly loterana Ambozontany Fandriana (1979-1980).
Raha nianatra teny amin'ny Oniversite teny Ankatso aho dia ny haisoratra malagasy no tena nifotorako. Mbola notohizako izany taty aoriana, rehefa tonga taty Frantsa aho. Toa mbola tsaroako ny tenin'i Dada tamin'ny nandrenesany fa vita soa ny Doctorat nikelezako aina : "milevina ila ka tsy lo aho anaka manana anao. Aiza moa no hanampoizako fa izaho Randrianasolo Jacques mpitandrina misotro ronono aty ambanivohitra kely aty ka manan-janaka manana "Doctorat" any am-pitan-dranomasina lavitra any" !
Hatramin'ny androm-pahazazako dia tia mamaky ny baiboly amin'ny teny malagasy sy ny bokikelin'i Dada sy Neny izay nivangongo tao amin'ny birao fiasan'i Dada aho. Misy karazany maro izy ireo (Teny soa fanalana andro, Mpamafy, Mpamangy, Fanilo, Sakaizan'ny tanora...). Tao koa ny karazam-boky toy ny Anganon'ny Ntaolo sy Ny Dian'ny Mpivahiny ary ny Maritiora malagasy.
Nanjary tia manoratra ihany koa aho. – Antsiva, Haisoratra.org, 27 mars 2003
Merci de SIGNER GUESTBOOK (LIVRE D’OR)
Pour nombreux sujets culturels sur Madagascar RETOUR à

http://www.helis-madagascar.info
Pour LES LIVRES DE ANTSIVA - CONTACT i_vetso@yahoo.fr
ANTSIVA - VEHIVAVY MALAGASY – MADAGASCAR
Membre de l’Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (UPEM) France
Mise en ligne 09/02/07 VISITEURS
Webmestre: Olga HELISOA Contact olga.helisoa@orange.fr
REPRODUCTION INTERDITE - SITE WEB PROTEGE In HELI’S MADAGASCAR Edition www.copyrightdepot.com #00040636
Want your own free site like this? Try Freewebs.com