
Manao ny ainy tsy ho zavatra ny zanaka am-pielezana mamelo-maso ny tanàna novolavolain'ny fahagola. Saika tsy nisy nihangana mantsy ireo trano nijoro tao tamin'ny ankatoky ny fiverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena. Mifanaraka tsara amin'ny fiangalian'i Dox ny tononkalony "Nankaiza ny olon-tety" ny zava-nitranga satria saika tsy nahitana afa-tsy trano haolo tao an-tampon-tanàna, sary tsy nahafahana nampihaingo ny fiangonana mateza tsy rotan'ny taona nifandimby. Kanefa nifanongoa tao ny sivilizasionina maro hatramin'ny alaovalo. Nisy mihitsy aza mpandinika nilaza fa ny rari-vato mamefy ny farihin-dRavololona dia narafitra efa ho 5000 taona talohan'i Kristy. Ny anaran-toerana misy ao dia manamafy ny maha vohitra manan-tantara an'Ankadindravololona : Ampasambazimba, Ambohitrandriana, Ambatomitsangana sns. Saingy lasa nielim-patrana lavitra ny olona, andeha atao hoe tafita lasa dokotera, mpampianatra, mpahay lalàna, mpanao politika, mpitandrina sns any andrenivohitra sy andafin'ny ranomasina aza. Kanefa hoy ny ohabolan'ny Ntaolo : "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara".
Ato amin'ity tranonkala ity àry no ahitantsika ny maha Ankadindravololona an'Ankadindravololona. Izany hoe ny fomba nahafahany namolavola olona mijoro eo anivon'izao tontolo izao. Ato koa no ahafahana mifanakalo hevitra sy mijoro ho vavolombelon'ny fiainana nisy. Na ireo mipetraka na ireo mpiserana any an-toerana dia antenaina hamatsy voan-dalana tsy tapaka momba ny zava-mitranga any amin'izao fotoana izao.
Tsy tamin'ny finiavan'olon-tokana na tamin'ny fizahozahoana no namolavolana an'ireto takelaka ireto fa niainga tamin'ny fiaraha-miasan'ny olona maro, indrindra fa ny an'ireo zokiolona tapa-porohona sisa tsy may sady vato namelan-kafatra. Koa mandrosoa àry amin'ny lalindalina, avadibadiho ny pejy, banjino ny sary fa tanindrazana io ... tsarovy !